MOFON’AINA ALAKAMISY 20 FEBROARY 2020

Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao. 18 Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin’ny lalànao. 19 Vahiny ety an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao. 20 Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva. 21 Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin’ny didinao. 22 Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho. 23 Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao. 24 Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
SALAMO 119 : 17-24

NY ASAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Hoy ny Tompo raha nanafatra an’i Isaia Izy: « dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy »( Isaia 55 :11). Izao tenin’ny Tompo izao dia milaza mazava amintsika fa manana ny asany ny tenin’Andriamanitra, ary dia tena ambinin’Andriamanitra amin’izany asany izany. Izao mofonaina izao dia maneho amintsika izay mamaky ny asan’ny tenin’Andriamanitra araka izay nahatakaran’ny mpanao Salamo azy.

Ny tenin’Andriamanitra dia

  1. Maneho zava-mahagaga (and 18)

« Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin’ny lalànao »

Misy zava-mahagaga ao amin’ny tenin’Andriamanitra araka izay ambaran’ny mpanao Salamo eto. Maneho an’Andriamanitra Ilay Mahagaga aloha ny teniny. Fa maneho ihany koa ny asa mahagaga rehetra nataony sy notanterahiny. Tsy ny olona rehetra koa anefa no afaka mahita an’Andriamanitra mahagaga sy ny asa mahagaga ao amin’ny tenin’ny Tompo fa izay nampahiratin’ny Tompo ny masony. Amin’ny maha-olombelona antsika, noho ny vokatry ny fahotana dia tsy ho afaka hahita intsony ny zava-mahagaga nataon’Andriamanitra isika raha tsy Izy Andriamanitra no mampahiratra ny masontsika ka mamela antsika hahita izany. Ao amin’ny tenin’Andriamanitra ohatra no ahitantsika ny asa mahagaga ataon’Andriamanitra mamonjy antsika amin’ny alalan’i Jesoa. Koa izay tsy iasan’ny Fanahy Masina, izay tsy sokafan’ny Fanahy Masina ny masony tsy mba ahita izany. Meteza hiasan’ny Fanahy Masina arak’izany dia sady hahita no hatsapa ny asa mahagaga ataon’Andriamanitra ao amin’ny teniny.

  1. Mampifaly (and 24a)

« Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako »

Manome fifaliana ny tenin’Andriamanitra arak’izao hanambaran’ny mpanao Salamo azy izao. Loharanon’ny fifaliana izany. Ny tena mahafaly dia ny mahafantatra fa ity fifaliana avy amin’ny tenin’Andriamanitra ity dia manana izay toetra mampiavaka azy manokana: “maharitra mandrakariva”. Tsy fifaliana mandala sy miserana fa tena mitoetra. Fifaliana tsy amin’ny endrika ivelambelany fotsiny koa fa tena fifaliana feno sy tanteraka, fifalian’ny lanitra satria avy amin’Andriamanitra. Eo anatrehan’izao fiainana izay mampikaikaika ny rehetra izao, eo anatrehan’ny fiainana izay mampiaiky ny rehetra fa mafy, ny tenin’Andriamanitra dia ambara fa manome fifaliana. Ity fifaliana omen’Andriamanitra ity no mahatonga antsika hahazaka izany ka hahajoro tsara ho vavolombelon’i Jesoa Kristy.

  1. Manolo-tsaina (and 24b)

« Eny, mpanolo-tsaina ahy izany »

Ilay hoe izany eto amin’izao andininy izao dia ho enti-manondro ny teni-vavolombelona avy amin’Andriamanitra. Ny hoe manolo-tsaina dia manome saina eo am-piatrehana ny zavatra rehetra tanterahina sy atao eto amin’izao tontolo izao. Ny hoe manolo-tsaina koa dia ho enti-maneho mpanome toro-marika mahasoa hitondrana ny fiainana eto amin’izao tontolo izao. Hahay hitondra tena, hahay handeha araka ny tokony ho izy ny mpanao salamo noho io toromarika omen’ny tenin’Andriamanitra io. Mahatonga ny mpanao salamo hanam-pahendrena mantsy ny tolo-tsaina omen’ny tenin’Andriamanitra. Raha ny marina, rehefa mandray ny tenin’Andriamanitra ho mpanolo-tsaina isika dia Andriamanitra tenany mihitsy izany no mpanolo-tsaina antsika. Koa izay toloran’Andriamanitra saina dia ho Hendry sy hahomby amin’izay rehetra ataony.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.