MOFON’AINA ALAKAMISY 23 APRILY 2020

1 Hanandratra Anao aho, Jehovah o; fa nanintona ahy niakatra Ianao, ka tsy nataonao ho fifalian’ny fahavaloko aho. 2. Jehovah Andriamanitro o, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Ianao. 3. Jehovah o, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin’ny fiainan-tsy hita Ianao; efa nampody ny aiko Ianao, mba tsy ho isan’izay midina any an-davaka aho. 4. Mankalazà an’i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany masina. 5. Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana. 6. Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho. 7. Jehovah o, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Ianao, dia ory aho. 8. Ianao no nantsoiko, Jehovah o; ary Jehovah no nifonako hoe: 9. Inona no soa azo amin’ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany? 10. Mihainoa, Jehovah o, ka mamindrà fo amiko; Jehovah o, aoka ho Mpamonjy ahy Ianao. 11. Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Ianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Ianao ka nampisikina ahy fifaliana, 12. Mba hankalazan’ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro o, hidera Anao mandrakizay aho.
SALAMO 30

ANDRIAMANITRA MANOVA NY TOE-JAVA-MISY

Salamo fiderana nataon’i Davida ity mofonaina ity. Fankalazana an’Andriamanitra noho Izy nanasitrana azy. Andriamanitra dia manova mandrakariva ny toe-java-misy ho tsara kokoa. Noho izany dia

  1. Hasandratra Izy (and 3-4)

Novelomin’Andriamanitra indray Davida eto.

a– Novalian’Andriamanitra vavaka mihitsy izy rehefa vakiana tsara ny and 2: « Jehovah Andriamanitra ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy ianao ».

b- Namonjy tsy ho any amin’ny fiainan-tsy hita. Ity famonjena ity dia tena fiarovana tokoa.
Mendrika hankalazaina Andriamanitra noho Izy miasa ka tena manova zavatra. Manaisotra amin’izay manahirana sy olana mitady handringana ny olony.

Na iza na iza arak’izao mahatsiaro fa nisy toe-javatra niova teo amin’ny fiainany noho ny asan’Andriamanitra dia ampianarin’ny mpanao salamo hanandratra, hidera an’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy no nanovan’Andriamanitra ny zavatra rehetra teto amin’izao tontolo izao, nanasitrana Izy, namonjy Izy, nanangana tamin’ny maty Izy, sns… Noho ny amin’i Jesoa Kristy dia midera an’Andriamanitra isika kristianina.

  1. Taomina ny hafa hankalaza Azy (and. 5)

DIEM « Mihira Salamo ho an’ny Tompo, ianareo mpivavaka aminy; manaova fiderana Azy ka tsarovy fa masina Izy ».

Tsy nankalaza an’Andriamanitra irery Davida eto. Taominy ny hafa hiombom-piderana sy fankalazana Azy. Anisan’izay hevitra matanjaka ao amin’ny salamo ny fiderana. Ireto no hevitr’io io fitaomana ny hafa io

a- mampandray anjara amin’ny fankalazana an’Andriamanitra. Omena anjara amin’ny fankalazana an’Andriamanitra ny hafa mba tsy ho ny tena irery no hanao izany.

b- fizarana amin’ny hafa ny antom-pankalazana izay maneho indrindra ihany koa fiombonana, miara-mifaly amin’izay mifaly.

Tsy olon-tokana no mila mankalaza an’Andriamanitra, ny tany rehetra aza no antsoina amin’izany (Sal 100 : 1). Fanompoana azo atao amin’ny fiombonana izany. Manova toe-java-misy maro Andriamanitra mba ho maro koa ireo olona hankalaza Azy

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.