MOFON’AINA SABOTSY 26 FEBROARY 2022

10Ary ianao, ry zanak’olona, mitenena amin’ny taranak’Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin’izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay? 11Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak’Isiraely? 12Ary ianao, ry zanak’olona’lazao amin’ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan’ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin’ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian’ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin’ny andro ialany amin’ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin’ny andro anotany. 13Raha lazaiko amin’ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao, nefa izy mitoky amin’ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy. 14Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao, nefa miala amin’ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy. 15ka mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty. 16Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa. 17Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran’ny Tompo; nefa ny fitondran’ny tenany no tsy marina.18Raha ny marina miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin’izany izy. 19Ary raha ny ratsy fanahy miala amin’ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin’izany izy. 20Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran’ny Tompo. He! ry taranak’Isiraely, samy hotsaraiko araka ny alehany avy ianareo.EZEKIELA 33:10 – 20

Notendrena ho mpaminany i Ezekiela ary irahina hitondra ny hafatr’Andriamanitra amin’ny taranak’Israely izy hampisaina azy ireo fa samy tompon’andraikitra amin’ny ataony avy ny olona tsirairay. Eto dia taomina ny Taranak’Israely fa :

1- Mbola miala nenina Andriamanitra (and 11)

Tian’ny Tompo hahatsapa tsara ireto taranak’Israely ireto fa tia azy ireo ny Tompo ka raha mbola velona izy ireo dia satria mbola mamindra fo Izy, fa raha ny faharatsiana sy ny fahotana izay mbola « eto aminay » araka ny filazan’izy ireo azy dia efa tokony ho faty izy ireo. Isika koa, taomina tsy hanamaivana ny fotoana na ny tombon’andro mbola hialan’ny Tompo nenina amintsika, tsarovy fa misy fetra ny fotoana.

2- Mitaona hiala amin’ny ratsy Izy (and 11b)

« Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, fa nahoana no te ho faty ianareo ry tarak’Israely ? »; ity no antso ataon’ny Tompo, ny mba hahafoizan’ny olony ny ratsy fanaony ka hiverenany amin’Andriamanitra, mba tsy hamongorana azy. Antso nataon’i Jesoa koa ny hibebahan’ny olony; « Mibebeha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. » Aza mangataka andro ! Mibebaha izao, eto sy ankehitriny.

3- Kanefa hitsara ny natao koa Izy (and 20)

« He, ry taranak’israely, samy hotsaraiko amin’ny alehany avy ianareo », amin’ny fotoana mbola hitenenany dia miala nenina sy miandry fanapahan-kevitra amin’ny olona Andriamanitra fa ho avy kosa ny fotoana izay hitsarany ny natao sy izay nosafidian’ny olony! Efa fantatra mialoha ny miandry ny marina sy ny meloka! Manaova safidy tsara!

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.