Mofon’aina – ALAKAMISY 26 OKTOBRA 2017

9 Ary noho izany izahay koa hatramin’ ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ ny Fanahy,10 mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ ny fahalalana tsara an’ Andriamanitra,11 ary ampahatanjahina amin’ ny hery rehetra araka ny herin’ ny voninahiny ho amin’ ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ ny hafaliana,12 ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ ny lovan’ ny olona masina eo amin’ ny mazava,13 sady nahafaka antsika tamin’ ny fahefan’ ny maizina ka namindra antsika ho amin’ ny fanjakan’ ny Zanany malalany,14 Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
KOLOSIANA 1 :9-14

MAMINDRA ANTSIKA  HO AMIN’NY FANJAKANY  NY  TOMPO

1-Tohizo ny hafanana amin’ny vavaka

Feno  fifaliana ny Apostoly  Paoly  amin’ny fandrosoan’ny fiangonana tany Kolosia amin’ny finoana sy ny fivavahana. Tsy ampy  ny mionona  amin’ny efa vita  fa tohizana  hatrany ny  fivavahana  sy ny  fitomboana ho amin’ny fahatsarana. « Tsy  mitsahatra  mivavaka  sy mangataka  ho anareo aho », hoy i Paoly  (and 9). Tsy  vitan’ny  moraly  izany   ny fiainana kristiana, fa hatsarain’ny vavaka. Mivavaha  mba hofenoina  fahalalana ny sitrapon’ny  Tompo, ka hanana  fahendrena  sy fahazavana  avy  amin’ny Fanahy Masina. Mivavaha  ihany  koa   mba handeha  miendrika  ny Tompo , mba hahavokatra  amin’ny asa tsara  rehetra , mba hatanjaka  amin’ny herin’ny  voninahitry ny Tompo . Manàna  tanjona  mazava  amin’ny vavaka  atao, toy izay hataon’ny Apostoly izao.

2-Mivavaha amin’ny fisaorana 

Manandratra  vavaka fisaorana  sy fankalazana  i  Paoly. Manambara   ny asan’i Jesoa Kristy  izy, izay mahatonga   ny mpino hanana anjara   ao amin’ny fanjakan’i Jesoa Kristy  Zanak’ Andriamanitra .Izy no mampahamendrika antsika hanana anjara  lova  amin’ny lovan’ny olona masina. Tsy  mendrika  izany isika   noho ny fahotana. Omena  ny kristiana  anefa izany  satria i Jesoa Kristy  no mamindra antsika  hiala  tao  amin’ny fahefan’ i satana na ny maizina   ho amin’ny fanjakan’i Kristy. I Jesoa  no mahatonga  antsika  hanana  fanavotana  dia ny famelana ny helontsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !