Mofon’aina – ALATSINAINY 30 OKTOBRA 2017

1 Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan’ ny tenin’ ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo,2 ary mba hovonjena ho afaka amin’ ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.3 Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon’ ny ratsy.4 Fa izahay matoky anareo ao amin’ ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa.5 Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ho amin’ ny faharetan’ i Kristy.
2 TESALONIANA 3 :1-5

MIVAVAKA  HO AN’NY TENIN’ ANDRIAMANITRA NY  MINO

1-Mivavaha ho  an’ny mpitory ny Filazantsara

Fangatahan’ny Apostoly Paoly  tamin’ny Fiangonana  kristiana  tany Tesalonika  ny hitondrana amam-bavaka azy sy ny namany  mba hahatanteraka ny fitoriana  ny Filazantsara. Vavaka  no hahatanteraka  ny asan’ny Tompo. Tsy  ampy  ny miasa  fotsiny  fa tsy maintsy   entina  am-bavaka ny asa. Ao   amin’ny vavaka dia miaro sy mampahery  ny fiangonany  ny Tompo  (and 3). Fitaovana eo am-pelatànan’ny devoly  mandrakariva  ny ratsy  sy ny tsy mino  mba hamoretana sy handrahonany ny mpitory   ny Filazantsara  (jereo Asa 17 :11, 13). Fiadiana  eo am-pelatànan’ny mpino ny vavaka  handresena  ny fahavalo.

2-Mivavaha mba hahatratrarana ny zava-kendrena 

Maro ny sakana  ho amin’ny asa fampielezana  ny Vaovao  mahafaly  tao Tesalonika. Isan’ireny  ny fahamaroan’ny Jiosy mpanohitra  ny fivavahana  kristiana , ny fahadisoam-pinoana momba  ny fiavian’i Kristy tampoka sy haingana  ary  ny fisian’ireo  ratsy toetra  , izay  manimba  ny fiangonana (and6). Manana tanjona  tratrarina  ny  Apostoly amin’ny fitorian-teny  sy ny fitoriana  ny Filazantsara. Ireto  avy ireo  tanjona   voalaza  ireo : mba hankalazana   eo  amin’ny Jentilisa ny Tenin’ Andriamanitra , mba hovonjena amin’ny  ratsy  fanahy  ny  Apostoly  , mba ho  amin’ny fitiavan’ Andriamanitra   ny fiangonana , mba hanana ny faharetan’i Kristy ny fiangonana

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !