MOFON’AINA ALAKAMISY 26 SEPTAMBRA 2019

1 Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. 2 Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny [dioviny], mba hamoa bebe koakoa. 3 Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo. 4 Tomoera Amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray Amiko. 5 Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray Amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka Amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. 6 Raha misy tsy miray Amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may. 7 Raha miray Amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. 8 Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
JAONA 15 : 1-8

HO TONGA AMINAREO IZANY

Fampianaran’i Jesoa izao mofonaina izao, fampianarana izay manambara mazava fa maty ny rantsana raha toa ka tsy mifandray amin’ny faha, maty koa ny fiangonana raha toa ka tafasaraka amin’i Jesoa. Miverimberina eto amin’nyJao 14 – 17 ny teny hoe angataho. Jesoa no miteny izany. Miteny izany Jesoa satria afaka manome izay hangatahana Aminy Izy. Eo amin’ny and 17 dia ambaran’i Jesoa ny fomba ahazoana izay hangatahina Aminy

  1. Miray amin’i Jesoa Kristy

DIEM « raha MIRAY AMIKO HATRANY ianareo »

Ny hoe miray dia enti-milaza ihany koa fiombonana, fikambanana. Ny firaisana sy ny fiombonana amin’i Jesoa arak’izany no dingana voalohany hahatongavan’ny zavatra rehetra eo amin’ny mino. Toa ny rantsana eo amin’ny hazo iray izay tsy hahazo ny tsiron’ny tany rehetra raha toa ka tapaka ny firaisany amin’ny faka. Jesoa ilay faka maka ny tsiron’ny tany rehetra ka mizara izany any amin’ny rantsana rehetra. Zava-dehibe ny firaisana amin’i Jesoa satria amin’ny alalan’io firaisana io no ahazoana ny fahasoavana rehetra avy amin’Andriamanitra. Izany no mahatonga an’i Jesoa niteny hoe: DIEM « na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray noho ny anarako, dia homeny anareo »( and 16)

  1. Mitoetra ao anaty ny teniny

« Mitoetra ao anatinareo ny teniko »

Rehefa tafaray amin’i Jesoa ny olona iray arak’izao dia ho afaka handreha ny teniny. Ary rehefa mandre ny teniny dia afaka mampitoetra ny teniny ao anatiny na ao aminy. Ny tenin’i Jesoa na ny tenin’Andriamanitra no tian-kambara eto. Tsy ho afaka hitoetra ao amin’ny olona ny tenin’Andriamanitra raha tsy efa tafaray amin’i Jesoa izy. Ary ny fomba hahafantarana fa efa tafaray amin’i Jesoa ny olona dia io teniny mitoetra ao amin’ny olona io. Paoly moa raha nampianatra ny fiangonana tao Kolosia dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fitoeran’ny tenin’i Kristy ao amin’ny mino ka nanafatra hoe: « aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo »( Kol 3 : 16). Manampy be dia be hahatonga ny zavatra rehetra eo amintsika avy amin’Andriamanitra mantsy izany.

  1. Mangataka izay tiana

DIEM « angataho izay zavatra tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany »

Fepetra tsy azo ialana hahatongavan’izay tiana eo amin’ny tena ny firaisana amin’i Kristy, ny fitoeran’ny teniny ao amin’ny mino. Ary rehefa tafatoetra tsara ny tenin’Andriamanitra no mahazo izay hangatahiny amin’ny Tompo. Zava-dehibe io hoe mangataka izay tiana io, satria izay mangataka hoy Jesoa no mahazo, koa raha tsy mangataka ny mino dia ho sarotra aminy ny hahazo. Ilay fangatahana izay tiana koa dia tsara ihany no mitondra fanazavana fa fangatahana vokatry ny fitoeran’ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny mino. Izany hoe fangatahana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izany, fangatahana izay mahasoa avy amin’Andriamanitra. Ny Tompo mantsy, dia tsy tokony hadinoina fa izay mahasoa sy mampandroso ihany no ho azo avy Aminy. Koa aza misalasala mangataka amin’Andriamanitra rehefa tena tafaray marina amin’i Kristy fa ho tonga amintsika izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.