MOFON’AINA ALAROBIA 25 SEPTAMBRA 2019

1 Misy aminareo va, raha manana ady amin’ny namany, sahy handeha hotsarain’ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ny olona masina? 2 Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo? 3 Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? Mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao. 4 Koa raha misy hotsarainareo ny amin’ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon’ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara? 5 Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! Dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin’ny rahalahiny? 6 Fa ny rahalahy mandeha hiady amin’ny rahalahiny, na dia hotsarain’ny tsy mino aza. 7 Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo? 8 Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza. 9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita 10 sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. 11 Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.
1 KORINTIANA 6 :1-11

IREO DINGANA AHATONGAVANA AMIN’NY FAHAMASINANA

Ambaran’i Paoly avy amin’izao mofonaina izao ny toetry ny fiangonana tao Korinto. Mibahan-toerana amin’izay zavatra ambaran’i Paoly ny hoe miady ny samy kristianina ao Korinto. Ary satria miady izy ireo dia niantso olona ivelan’ny fiangonana mba handamina izany. Nahatezitra an’i Paoly ny fiantsoana olona ivelan’ny fiangonana handamina izany, satria aminy ny tokantrano tsy hahahaka. Tsy izany ihany fa fatoran’ny fahalemena samihafa ny kristianina tao amin’ny fiangonana toy ny fijangajangana, fanompoana sampy, sodomita, fangalarana, fanambakana. Tena nahamenatra raha nojerena avy aty ivelany ny fiangonan’Andriamanitra tao Korinto. Izao zavatra ambaran’ny mofinaina izao anefa dia maneho amintsika ny toetran’ny fiangonana misy antsika ankehitriny. Ary araka ny ambaran’i Paoly tsy ho afa-hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny kristianina raha mbola mahazo vahana ireo zavatra voalazan’ny Soratra Masina izay tena mahamenatra ireo. Ahoana ary no fomba hanamasinana ny tena sy ny fiangonana

  1. Amin’ny alalan’ny fanasana (and 11)

DIEM « efa voasasa ho afaka tamin’ny fahotana ianareo »

Toy ny loto ny fahotana, loto izay mahamenatra ka mila diovina sy esorina. Ambaran’i Paoly fa ireo Kristianina ao Korinto dia nosasana. Izany hoe tsy izy akory no nanasa ny tenany, na nanadio ny tenany fa efa nosasana sy nodiovin’Andriamanitra izy. Andriamanitra no miasa ka manasa sy manadio ny fiangonany. Tsy manana hery ho enti-manadio tena, na manana hery ho enti-manafaka ny tenany amin’ny herin’ny fahotana ny mino sy ny fiangonana, mila an’Andriamanitra izy amin’izany. Amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra no hanadiovan’Andriamanitra ny fiangonany, amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra ihany koa no hanadiovan’Andriamanitra ny kristianina ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra, ho afaka amin’ny fahalotoana sy ny fahotana rehetra. Ary araka ny fampianaran’i Jaona Apostoly dia ny ràn’i Jesoa no manadio antsika: « fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ràn’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra » (1 Jao 1 : 7). Meteza arak’izany hodiovin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny teniny, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia ho tonga amin’ny fahamasinana na isika kristianina, na ny fiangonan’Andriamanitra.

  1. Amin’ny alalan’ny fanamarinana (and 11)

DIEM « efa voatokana ho an’Andriamanitra ary efa nekeny ho MARINA tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Ilay Andriamanitsika »

Izao fampianaran’i Paoly izao dia milaza mazava tsara fa Andriamanitra no manamarina antsika. Izany hoe manaiky antsika ho marina eo anatrehany. Ahoana tokoa moa no ahatonga antsika ho marina eo anatrehan’Andriamanitra? Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Ilay hany MARINA teto amin’izao tontolo izao, ary teo anatrehan’Andriamanitra. Rehefa mijery izao tontolo izao Andriamanitra dia mijery azy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka izay rehetra hitany ao amin’i Jesoa Kristy ihany no ekeny ho marina, izay rehetra tsy hitany ao dia tsy marina velively eo anatrehany. Marina arak’izany isika, na nohamarinina isika rehefa ao amin’i Jesoa.

Mba diniho sy hevero ihany fa matetika misy fivavahana tsy afaka mitondra antsika ho ao amin’i Jesoa, koa rehefa tsy ao amin’i Jesoa isika, na dia mivavaka aza dia tsy marina eo imason’Andriamanitra, fatiantoka amin’izay fotoana izay ny fivavahana, tsy afa-miantoka ny fiainana mandrakizay akory. Lala-tokana; fomba tokana no handovana ny fiainana mandrakizay, lala-tokana, fomba tokoa no hiverenatsika amin’ny fahamasinana. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany. Jesoa rahateo efa niteny izany raha nilaza hoe: « Izaho no LALALA sy FAHAMARINANA ary FIAINANA, tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny ALALAKO » (Jao 14 : 6). Ivon’ny famonjena sy ny fanamarinana ary ny fanamasinana antsika Jesoa Kristy. Tsy tokony hadinoina fa manana anjara toerana lehibe amin’izany koa ny Fanahy Masina izay mitaona antsika hanaiky izany, izay mitaona antsika hankato izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.