MOFON’AINA ZOMA 27 SEPTAMBRA 2019

1 Ary ampahafantarinay anareo, ry rahalahy, ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena tao amin’ny fiangonana any Makedonia; 2 fa tamin’ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan’ny hafalianay, ary ny hamafin’ ny fahantrany no nampitombo ny haren’ny hitsim-pony. 3 Koa vavolombelona aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany, no nanomezany, 4 sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin’izany fanompoana ho an’ny olona masina izany; 5 ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an’ny Tompo aloha, dia vao ho anay koa noho ny sitrapon’Andriamanitra
2 KORINTIANA 8 : 1-5

MANOMPO AN’ANDRIAMANITRA ARAKA IZAY ZAKA

Fitantaran’i Paoly ny fanoloran-tenan’ny kristianina tao amin’ny fiangonana tao Makedonia mba handray anjara amin’ny fanampiana ireo kristianina tany Jerosalema izao mofonaina izao. Fiangonana tsy matanjaka ny fiangonana tao Makedonia, izany anefa tsy sakana tsy nandraisan’izy ireo anjara amin’izay vitany sy zakany ho fanampiana ireo rahalahy any Jerosalema. Soa fianatra amin’izy ireo izao. Ity no tonga amin’ilay tena fanentanana hoe: « TSY MANAFINA NY MISY NY KRISTIANINA, KANEFA KOA TSY MAMORONA NY TSY MISY ». Ireto no hafatry ny Soratra Masina ho antsika

  1. Afaka manampy ny hafa isika noho ny fahasoavan’Andriamanitra (and 1)

DIEM « tianay hampahafantarina anareo ry Havana, ny fahasoavana nomen’Andriamanitra tao amin’ireo fiangonana any Makedonia »

Ilay fahasoavan’Andriamanitra izay nomen’Andriamanitra ny mino tao Makedonia no nozarainy ho an’ireo kristianina rahalahiny tany Jerosalema. Tena niainan’izy ireo ilay tenin’ny Tompo hoe: nahazo maimaimpoana dia mizara maimaimpoana. Ambara aza moa eo amin’ny and 2 fa nahafoy mihitsy izy ireo. Izay tena mahatsiaro ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiainana, izay tena mahatsiaro nahazo tamin’ny Tompo dia mahatsiaro mitodika any amin’ny hafa, mahatsiaro hanampy ny hafa. Ny fahasoavan’Andriamanitra dia mampianatra ny mino hijery ny hafa, hitsinjo ny hafa. Izay koa mantsy no maha-fahasoavana azy. Raha toa arak’izany misy milaza fa tena nahazo fahasoavan-dehibe kanefa tsy mba mahajery ny hafa, na tsy mba mitodika mitsinjo ny hafa dia azo lazaina fa tsy fahasoavan’Andriamanitra izany. Izay tena noasoavin’Andriamanitra manasoa ny hafa.

  1. Azo atao tsara ny mijoro vavolombelona noho ny zava-tsoa nataontsika sy nataon’ny hafa (and 3)

DIEM « vavolombelona nahita aho fa nanome araka izay zakany ry Zareo, eny mihoatra noho izay zakany aza »

Nahafaly an’i Paoly ny nahita izao ezaka lehibe nataon’ny kristianina tao Makedonia izao. Lasa arak’izany izy nijoro vavolombelona noho ny amin’ny asa tsara notanterahin’izy ireo. Mampianatra Paoly amin’ny alalan’izao mofonaina izao fa ny zavatra tsara dia fizara, ny zavatra tsara dia tena azo hanentanana tsara ny hafa. Ary mora kokoa ny manentana ny hafa amin’ny alalan’ny asa tsara, amin’ny alalan’ny ohatra tsara toa izao. Aza atao ambanin-javatra mihitsy arak’izao ny mizara izay zavatra tsara rehetra hitantsika any amin’ny fiangonana, any amin’ny kristinina. Aleo mba atao fanao mihitsy arak’izany ny mizara ireo zavatra tsara rehetra hitantsika any amin’ny toerana rehetra misy antsika, mba tsy ho ny zavara ratsy sy ny forongony ihany no hameno ny filazam-baovaontsika. Raha manao izany mantsy isika dia efa mitaiza tsikelikely ny mpiara-monina amin’ny fizarana zavatra mahasoa koa fa tsy izay mampiorin-koditra sy izay mampivarahontsana ihany. Handeha iezahana mihitsy ny mamboly izany fahazaran-tsara izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.