Mofon’aina – ALAKAMISY 28 APRILY 2017

16 Ary ny mpianatra iraika ambin’ ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ ilay tendrombohitra nasain’ i Jesoa halehany.17 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.18 Ary Jesoa nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao.
MATIO 28 :16-20

I JESOA TOMPON’NY FAHEFANA REHETRA

« Efa nomena  Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany, hoy i Jesoa , raha nitsangana tamin’ny maty « 

1-I Jesoa manambara  ny fahefany 

Manambara ny tenany i Jesoa fa Azy ny fahefana  rehetra  any an-danitra  sy ety an-tany. Tsy i Jesoa  niafina  tamin’ny fanetrentena  no voasoratra eto. Efa  hiakatra any an-danitra  ny Tompo. Izy Andriamanitra dia ampy  hilaza  ny tenany. Teo  amin’ny fanombohana  ny asany  dia nambaran’ny lanitra  fa Zanak’ Andriamanitra Izy. Eto  kosa  dia manambara  ampahibemaso amin’ny maha-Andriamanitra Azy i Jesoa teo amin’ny mpianany. Tompon’ny fahefana rehetra i Jesoa Kristy. Ampahafantarina izany koa ny olona rehetra .

2-I Jesoa antoky ny asa misiona rehetra 

Fahefana mamonjy  izao tontolo izao  ny fahefana  omen’ny Tompo . Fototra hahatanteraka izany ny fanirahany ny mpianany. Maniraka  hanao mpianatra sy hanao batisa, amin’ny anaran’ny Ray  sy ny Zanaka ary ny Fanahy masina   ary hampianatra  fankatoavana  an’ Andriamanitra i Jesoa. Amin’ny maha- Andriamanitra  Azy  dia fahefany  ny mizara  andraikitra  sy miantoka  ny fahatanterahan’izany amin’ny mpianany. Tsy ny olona rehetra  no hizarany   andraikitra  fa ny mpianany  sy izay  mankato  Azy  amin’ny famonjena izao tontolo izao. Manana  asa  goavana  hotanterahina  ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ilay maniraka sy manome fahefana ny fiangonany.

Fanontaniana:

Manao ahoana  ny finoanao ny fahefan’i Jesoa Kristy hanatanterahanao ny iraka

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !