Mofon’aina – TALATA 02 MAY 2017

13 Izao koa no fahendrena efa hitako tatỳ ambanin’ ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:14 Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao mànda lehibe hamelezany azy.15 Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin’ ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo.16 Koa hoy izaho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren’ ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.
MPITORITENY 9:13-16

« NY FAHAMBONIAN’NY FAHENDREN’NY TOMPO » .

Rehefa misy loza mandindona ny tanàna iray dia mihezaka ny hiaro tena sy mifanampy ny mponina ao aminy, indrindra moa raha mpanjaka lehibe sy mahery no mamely azy, tahaka izay hita eto. Ny mahazatra dia heverina fa izay manakarena sy matanjaka indrindra ao an-tanàna no
tena azo ianteherena, tsy izany anefa no mitranga eto fa :

1-Ny fahendren’ny Tompo mamonjy ny tanàna(and 13-15)

Mahavariana fa « lehilahy malahelo » (and 15), no nampiasain’ny Tompo ka tsy  vola na hery no nampiasaina , fa amin’ny alalan’ny fahendrena ihany dia voavonjy ny tanàna. Mampahatsiahy antsika an’I Kristy Mpamonjy antsika tokoa izany, izay malaza fa « Lehilahy ory, sady zatra ny fahoriana », kanefa kosa feno fahendrena lehibe ka nahavonjy izao tontolo izao.Ny vola sy ny fahefana no mahamaika ny ankamaroan’ny olona, mba tiany hananana betsaka, ka heverina fa hitondra famonjena ho azy sy ny fireneny, eto anefa dia vavolombelona ny Tompo, fa zava-dehibe koa ny fahendrena. Fa ny fahendren’ny Tompo  koa dia :

2- Ny fahendren’ny Tompo ambony noho ny hery (and 16)

Raha tany amin’ny toerana ny Firenena hafa ity lehilahy ity dia ho nasandratra ho « mahery fon’ny Firenena », tsy izany anefa no miseho eto, sady tsy mba nisy nahatsiaro izy no mbola vao maika aza hamavoina ny fahendreny! Ary dia ahatsiarovantsika ny latsa sy fanamavoina nentin’I Kristy teo amin’ny Hazo Fijaliana ho famonjena sy hanafahana antsika izany, kanefa dia nihoatra nohon’ny herin’ny fahafatesana ny herin’I Kristy, ary vavolombelon’izany ny fandresena tamin’ny Paska. Ny sarimihetsika, sy ny haino amanjery maro isankarazany ,ary ny famahana ny olana eo amin’ny tsy fandrimpahalemena eo amin’ny Firenena na ny sehatra iraisampirenena aza,   ankehitriny dia te ampiseho antsika, fa ny hery, ny hery hatrany dia voavaha io; fa vavolombelona ny Tompo fa ny fahendreny dia ambony lavitra noho izany.Ny Ntaolo fahiny aza dia mba efa nahatsiaro fa « Ny hery tsy mahaleo ny Fanahy ».

Fanontaniana:

Koa ahoana àry ankehitriny no hamonjena ny tenanao ,ny tanànanao, ny firenenao? Ny fahendren’Andriamanitra sa ny herin’olombelona?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !