MOFON’AINA ALAKAMISY 28 MAY 2020

22 Koa atsovy amin’ny taranak’Isiraely hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak’Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin’ny jentilisa izay nalehanareo. 23 Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin’ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin’ny ataoko aminareo. 24 Fa halaiko avy any amin’ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin’ny taninareo. 25 Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. 26 Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. 27 Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. 28 Ary honina any amin’ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. 29 Ary hovonjeko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo; 30 ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan’ny jentilisa amin’ny mosary intsony ianareo.
EZEKIELA 36 : 22-30

ANDRIAMANITRA MAMERINA AMIN’NY LAONINY NY FIAINAN’NY VAHOAKANY

Ezekiela dia Mpaminany izay lasa babo tany Babylona. Ho fampaherezana ny Jiosy babo dia nantsoin’ny Tompo izy haminany. Teny fampanantenana fa hampody ny Jiosy tamin’ny fahababoana no anisan’ny hafatra noentiny. Eto amin’izao mofonaina izao dia milaza mazava Ezekiela fa hiasa Andriamanitra ka hanafaka ny vahoakany amin’ny fahababoana. Ireto no votoatin’ny hafatry ny tenin’ny Tompo

  1. Hanova ny maha-izy azy ny vahoakany Andriamanitra (and 25,26)

« Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. 26 Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo »

Hodiovin’Andriamanitra amin’ny fahalotoany ny vahoakany araka izay hitantsika eto. Ary rehefa madio noho ny famafazan’Andriamanitra rano azy ireo dia omeny fo sy fanahy vaovao. Ny fanadiovana amin’ny rano dia mariky ny fanesorana ny loto rehetra vokatry ny fahotana. Toy ny fotaka mantsy ny fahotana ka ny rano no manala izany. Ary mazava tsara fa toy ny zaza maloto dia diovin-draiamandreniny ny vahoaka Jiosy eto. Io fanadiovana amin’ny fahotana io dia arahin’ny fanovana ny maha-izy azy ny vahoaka. Ilay vahoaka maditra, feno fotaky ny fahotana noho ny ditry ny fony dia omena maha-izy azy vaovao. Omena fo sy fanahy vaovao.

Rehefa tena miasa eo amin’ny fiainan’ny olona Andriamanitra dia manaisotra izay rehetra mampisaraka Aminy sy ny vahoakany. Ary tena manova tanteraka ny maha-izy azy ny olony. Avelao arak’izao hiasa eo amin’ny fiainantsika ny Tompo fa hainy ny manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra sy ny tsy fahamarinana rehetra. Ary hahazo faha-izy-ana (identité) vaovao isika, ho tonga zanak’Andriamanitra.

  1. Hanome ny Fanahy Masina Andriamanitra (and 27,28)

« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. 28 Ary honina any amin’ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo »

Mazava tsara eto fa diovina aloha ny vahoaka, avy eo omena faha-izy-ana vaovao izay vao omena ny Fanahy Masina. Ny fanomezana ny Fanahy Masina izany dia ho enti-manamarika fa tena efa olom-baovao ao amin’ny Tompo. Omena ny olona efa tena niova tokoa ny Fanahy Masina. Fa ilay fanomezana ny Fanahy Masina dia tsy tokony hohadinoina fa misy tanjona mazava kendren’Andriamanitra

– Fitandremana ny didy : ilay vahoaka manana fo vaovao sy fanahy vaovao dia omena didy vaovao hotandremana mandrakariva. Ny fitandremana ny didy koa no mitahiry ny vahoaka amin’ilay faha-izy-ana vaovao nomen’Andriamanitra azy. Tsy ho afa-mitahiry tena amin’io faha-izy-ana vaovao nomen’Andriamanitra io raha tsy eo ny asan’ny Fanahy Masina.

– Fonenana amin’ny tany nomena ho lova : averin’Andriamanitra honina finaritra ao amin’ny tany izay lovany ny vahoakany. Ary rehefa monina ao izy ireo dia ho olon’Andriamanitra ary Andriamanitra ho Tompony. Izany hoe tsy hanana Andriamanitra hafa hotompoina ankoatra ny Tompo izy. Asan’ny Fanahy Masina izay omen’ny Tompo no mitahiry ny vahoakany tsy hanompo andriamani-tsy izy intsony, tsy hanompo sampy intsony.

Ekeo arak’izao ny hiasan’ny Fanahin’ny Tompo fa sady mitahiry antsika amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika izany (ilay faha-izy-ana vaovao nomen’Andriamanitra antsika noho ny amin’i Jesoa Kristy) no manampy antsika hitahiry ny tenantsika tsy hanompo afa-tsy ny Tompo ihany koa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra