MOFON’AINA TALATA 02 JONA 2020

7 Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra. 8 Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana. 9 Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. 10 Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika. 11 Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.
1 JAONA 4 : 7-11

NY TENA FITIAVANA MARINA

Jaona Apostoly dia ambaran’ny mpandinika maro fa Apostolin’ny fitiavana. Tena votoatin’ny hafatr’i Jaona ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Azo lazaina ho ivon’ny asa sorany io fitiavana io. Miezaka mamelabelatra ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra izy ao amin’ny Filazantsara faha-4 sy ireo Epistily nosoratany. Amin’i Jaona ny tena fitiavana amin’i Jaona dia

  1. Fitiavana an’Andriamanitra aloha (and 10)

« Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika »

Andriamanitra fitiavana ny Tompo. Izany fitiavan’ny Tompo izany no tena mameno ny asa soratr’i Jaona. Ny Jaona 3. 16 izay ambaran’ny mpandinika Baiboly fa famintinana ny Baiboly iray manontolo. Tia antsika Andriamanitra ka nomeny Jesoa ho antsika ho marik’izany fitiavany izany. Ny fitiavan’Andriamanitra rahateo no nialoha ny fitiavantsika Azy. Fitiavana miseho amin’ny alalan’ny asa ny an’Andriamanitra fa tsy zavatra nolazaina fotsiny. Miseho tamin’ny famonjena antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Arak’izao fampianaran’i Jaona izao, tena azo atao tsara ny manaporofo ny fitiavana amin’ny asa. Azo atao tsara ny maneho ho hita maso ny fitiavana izay tsy hita maso. Izay mahatsapa io fitiavan’Andriamanitra io no ho tia an’Andriamanitra koa. Jesoa tena tia an’Andriamanitra Rainy noho Izy nahatsiaro ho tena tian’Andriamanitra.

  1. Fitiavana ny namana koa (and 11)

« Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika »

Ny fitiavan’Andriamanitra antsika dia tsy maintsy miteraka fitiavana ny namana. Raha misy milaza ny tenany ho manana ny fitiavan’Andriamanitra ao aminy na mahatsapa ho tian’Andriamanitra dia miseho amin’ny fitiavany ny namany izany. Raha tsy mety tia ny namantsika isika dia tsy manana ny fitiavana an’Andriamanitra. Azo atao tsara anefa ny mangataka io fitiavan’Andriamanitra io mba hitiavana ny namana. Ao amin’i Jesoa rahateo io tena fitiavana avy amin’Andriamanitra io. Izany no nahatonga an’i Jesoa ho afaka nitia ny olona rehetra teto amin’izao tontolo izao. Rehefa tena mahatsiaro ho tian’Andriamanitra isika dia tonga mahay mitia ny namantsika. Miseho ho azy amin’ny fahaiza-mitia ny hafa ny fahatsapana fa tia antsika Andriamanitra. Ny fananana ny fitiavan’i Jesoa ao am-po koa dia mampifankatia antsika. Tonga misy fitiavana ifamaliana, ifanaovana amin’ny toerana isehoan’ny fitiavan’i Jesoa. Ny antony tsy maintsy itoriana ny filazantsara dia ny hahatonga ny olona rehetra hanana io fitiavan’i Jesoa io. Koa rehefa samy manana fitiavana ny rehetra dia tonga ho azy ny fifankatiavana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.