MOFON’AINA ALAKAMISY 28 NOVAMBRA 2019

6. Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny. 7. Ary noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho kivy ny fon’ny zanak’olombelona rehetra; 8. Ho toran-kovitra izy; Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; Mitarehin-delafo ny tarehiny. 9. Indro, avy ny andron’i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan’ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.
ISAIA 13 : 6-9

NY ANDRON’NY TOMPO

Ny fotoana hiavian’i Jesoa eto amin’izao tontolo izao fanindroany dia antsoin’ny Soratra Masina ho andron’ny Tompo. Raha mamaky izao mofonaina izao dia ireto no hanamarika izany

  1. Andro mampatahotra (and 6-8)

DIEM «  Ho very hevitra tokoa izy noho ny fanaintainana sy ny fahoriana mahazo azy ka hiolanolana toy ny vehivavy hiteraka. Talanjona izy mifampijery ka mivaloarika ny tarehiny »

Andro mampatahotra tokoa izany noho izy sokajian’ny Soratra Masina ho toy vanimpotoana iray eo amin’ny fiainan’ny vehivavy izay mampihetsi-jaza azy. Io fotoana mampihetsi-jaza io dia fotoana tena mahamay fotoana sarotra fotoana mampaharary tokoa. Fotoana mampatahotra koa satria amin’io fotoana io ny vehivavy dia mety ho zavatra roa no hitany: na izy ho teraka soamantsara dia sady ho velona izy no ho velona ny zaza, na ny mifanohitra amin’izany no hiseho miara-maty izy roa, na ny iray ihany no velona koa. Vanimpotoana mampatahotra arak’izao io vanimpotoana io satria fotoana hahavelona mandrakizay, hidirana amin’ny fiainana mandrakizay na koa hahafaty mandrakizay. Handeha ny rehetra samy hiandry amin’ny fanantenana izany andron’ny Tompo izany.

  1. Andro hamaliana ny ratsy fanahy (and 9)

DIEM «  Indro avy ny andron’ny TOMPO, andro ombam-pahatezerana tsy azo ivalozana sy isehoam-pahavinirana mirehitra, ka hahatonga izany tany izany ho hay sady handringanana ny mpanota tsy ho ao intsony »

Tsy tokony hohadinoina ry havana fa misy farany avokoa ny zavatra rehetra. Ary amin’izay dia hovaliana araka izay rehetra nataony ny olona rehetra. Amin’ny andron’ny Tompo dia haringan’ny Tompo ny mpanao ratsy noho ny faharatsiany. Handray izay tena valin’asany tokoa izy. Izany no mahatonga antsika kristianina tsy mba mamaly ny ratsy ataon’ny mpanao ratsy antsika. Hovaliana amin’ny andron’ny Tompo izany. Mila maharitra tsara miandry izany isika. Fampitandremana ny mpanao ratsy izao mofonaina izao mba hanao ezaka hatrany hanatsara ny fomba fiainana eto amin’izao tontolo izao mba tsy ho isan’izay haringan’ny Tompo amin’ny androny.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.