MOFON’AINA ZOMA 29 NOVAMBRA 2019

19. Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. 20. Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ny tanany*; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mifahy; [Hebreo: elany] 21. ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin’ny faladianareo izay amin’ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. 22. Tsarovinareo ny lelan’i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin’ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika. 23. Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra; 24. ary izay hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny fandringanana*. [Hebreo: herema]
MALAKIA 3 : 19-24

ANDRIAMANITRA MIALA NENINA FARANY

Ny bokin’ny Malakia no boky farany amin’ny Testamenta Taloha ho antsika protestanta. Mamarana ny hafatry ny Tenin’Andriamanitra raha ny fanekena taloha. Aorian’ity boky ity dia hiditra amin’ny 400 taonan’ny fahanginana ny Baiboly protestanta. Fa raha mamaky ny andininy farany koa isika dia ahita fa miala nenina farany ny Tompo. Ireto no hafatra ho antsika

  1. Miala nenina ny Tompo ka maniraka mpaminany (and 23)

DIEM « Fa alohan’ny hiavian’ny andron’ny TOMPO, ilay andro lehibe sady mahatahotra, dia haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo Aho »

Ny alohan’ny hiavian’ny andron’ny TOMPO dia filazana fialana nenina tokoa. Tsy mbola tonga ny Tompo eto izay andro mahatahotra hoy isika omaly. Fa inona tokoa moa no asan’ny mpaminany. Ny mpaminany dia iraka avy amin’Andriamanitra mampitandrina, manitsy ny vahoaka amin’izay mety ho fahadisoana, manoro lala-marina. Koa irahina ny mpaminany hanatanteraka izany mba tsy hahita loza ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny andro hiavian’ny Tompo. Anisan’izay nanirahana an’i Elia mpaminany ohatra izay hita eo amin’ny andininy farany dia fampihavanana ny olona rehetra. DIEM  » 24Izy no hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanany ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy; amin’izay Aho dia tsy ho avy hamely ny tany amin’ny fandringanana ». Ary mazava tsara fa raha manaraka izay hitarihan’ny mpaminany eto ny olona dia tsy hisy fandringanana ho azy avy amin’ny Tompo.
Maniraka ny fiangonana sy ireo mpanompon’Andriamanitra maro ny Tompo ankehitriny, satria mbola tsy tonga ny Tompo, handeha ho araraotina ny fanarahana ny toromarika avy amin’izy ireny mba tsy ho tratry ny loza isika amin’ny fotoana hihavian’ny Tompo.

  1. Fotoam-pamonjena ny andron’ny Tompo (and 20)

DIEM « Fa ho an’izay manaja ny anarako, dia izao no teniko: hiseho ny famonjeko toy ny masoandro miposaka manana fanasitranana ao amin’ny tanany. Ho afaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mivoaka ny vala »

Fomba fitenintsika malagasy ny hoe « mbola ho avy ny maraina ». Mariky ny fanantenana ao amintsika izany. Fanantenana zavatra tsara kokoa noho ny efa misy. Ny fiposahan’ny masoandro noho maha-maraina ny andro. Eto amin’izao mofonaina izao dia ambaran’i Malakia fa hiposaka toy ny masoandro ny famonjen’Andriamanitra ho an’izay mino (matahotra ny anaran’Andriamanitra). Ny fiavian’i Jesoa eto amin’izao tontolo izao dia tena ho Fotoam-pamonjena satria handray ny Azy Izy ho any Aminy. Fotoana hidirana amin’ny fanjakan’Andriamanitra raha toa ka fotoana mangidy ho an’ny ratsy fanahy.Meteza arak’izao hatahotra mandrakariva ny Tompo, araho ny sitrapony dia ho fotoana mamy ho antsika ny fotoana hiaviany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.