MOFON’AINA ALAKAMISY 3 MARTSA 2022

1 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin’ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masina momba ny etỳ an-tany. 2 Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe « ny fitoerana masina », izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho. 3 Ary ao anatin’ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe « ny fitoerana masina indrindra, » 4 izay nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran’ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin’io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena; 5 ary teo ambonin’io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana,- tsy azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny. 6 Ary rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva eo amin’ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana. 7 Fa ny faharoa kosa no idiran’ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin’ny tenany sy ny fahadisoana nataon’ny olona amin’ny tsi-fahalalana; 8 koa izany no anambaran’ny Fanahy Masina fa tsy mbola voaseho ny lalana mankany amin’ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany; 9 fanoharana izany amin’izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin’ny fieritreretana 10 (fa naman’ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin’ny andro fanovana.HEBREO 9:1-10

NY FOMBA HAHAZOANA FAMELAN-KELOKA

1- Mila mpanalalana amin’Andriamanitra

« Fa ny faharoa kosa nidiran’ny mpisorona be irery, indray mandeha isan-taona… tsy miditra raha tsy mitondra rà… » (and 7). Tao amin’ny Tabernakely dia nisy ilay fitoerana masina izay ny Mpisorona irery no mahazo miditra ao. Fa ao amin’ny faharoa kosa misy ny toerana masina indindra izay ny Mpisoronabe irery no mahazo miditra ao indray mandeha isan-taona mitondra ràm-biby novonoina mba hisolo heloka ilay mpanota. Ankehitriny, Jesoa no ilay Mpisoronabe manalalana antsika amin’Andriamanitra, ary ny ràny nalatsany no rà nahazoantsika famelan-keloka. Ary ny tena mahafaly indrindra dia tsy ny mpisorona be irery intsony no mahazo manantona an’Andriamanitra fa efa ny olona rehetra izao no mahazo manantona azy.

2- Dia tsy amin’ny fanaovana fanatitra omena an’Andriamannitra

« Ary araka izany no hanaterana sy hanomezana fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin’ny fieritreretana » (and 9). Midika izany fa tsy ampy ahazoana famelan-keloka ny fanatitra sy fanomezana an’Andriamanitra fa ny fieken-keloka, avy eo mirotsaka manadio ilay olona ny ràn’i Jesoa Kristy. Izay no hahazoana ny famelan-keloka. Noho izany, tsy afaka mihevitra isika fa rehefa manolotra ho Azy dia azo ny famelan-keloka. Tsy azo sandaina ny famelan-keloka omen’i Jesoa antsika, tsy voavidintsika rahateo kanefa omeny maimaim-poana rehefa miaiky fahotana isika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.