MOFON’AINA SABOTSY 5 MARTSA 2022

1Ary hoy Samoela tamin’i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan’ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin’i Jehovah ianao. 2Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hovaliako izay nataon’ny Amalekita tamin’ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta. 3Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman’osy, na rameva, na boriky. 4Ary Saoly namory ny olona ka nandamina azy tao Telaima, dia roa hetsy ny mandeha an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy amin’ny Joda. 5Ary Saoly dia tonga tao an-tanànan’ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha. 6Ary hoy Saoly tamin’ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin’ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak’Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin’ny Amalekita ny Kenita. 7Ary Saoly namely ny Amalekita hatrany Havila amin’ny lalana mankany Sora izay tandrifin’i Egypta. 8Ary azony sambo-belona Agaga, mpanjakan’ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia naringany tamin’ny lelan-tsabatra. 9Fa Saoly sy ny olona tsy namono an’i Agaga sy izay tsara indrindra tamin’ny ondry aman’osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak’ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho naringana ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany ihany avokoa. 10Ary tonga tamin’i Samoela ny tenin’i Jehovah hoe: 11Manenina Aho noho ny nanaovako an’i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin’ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin’i Jehovah mandritra ny alina.I SAMOELA 15:1-11

HOVALIAN’ANDRIAMANITRA

1- Izay manakana ny olona tsy hiditra any amin’ny Fanjakan’ny lanitra (and 2)

« Hovaliako izay nataon’ny Amalekita tamin’ny Israely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana fony izy niakatra avy any Egypta ». Ireo Amalekita ireo dia vahoaka ffahavalon’Andriamanitra satria nanakana ny dian’ny Zanak’Israely raha nizotra ho any Kanana izy ireo rehefa avy any amin’ny fanandevozana. ( Eksodosy 17 : 8 – 16). Ankoatra izany dia mpihetraketraka amin’ny fiaraha-monina maodidinq azy ireo ; mpampahory olona. Nony efa mby ao Kanana izay ireo ka nanana mpanjaka dia nasain’Andriamanitra naringana avokoa, tsy nisy avela ho velona na zaza amam-behivavy, na biby fiompy satria nanakatsakana ny vahoakany tsy hiditra ny tany Kanana. Ry havana, ny fiainana mandrakizay no Kananantsika, na iza na iza manakana antsika tsy ho any dia Andriamanitra no mamaly azy.

2-Izay tsy manaraka ny Teniny (and 09)

« Manenina Aho ny amin’ny nanaovako an’i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin’y fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny Teniko ». Andriamanitra no nametraka an’I Saoly ho mpanjaka kanefa tsy mba nanaraka ny Teniny akory i Saoly, hany ka nanenina Izy, naleony nomena olona hafa izay manaraka ny Teniny ny fanjakana. Very izy sy izay zananay tokony handimby azy eo amin’ny fanjakana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.