MOFON’AINA ALAROBIA 2 MARTSA 2022

39 Ary ny anankiray tamin’ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay. 40 Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an’Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza? 41 Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza. 42 Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Hianao. 43 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.LIOKA 23:39-43

AOKA HO FANTATSIKA

1-Fa tsy maintsy mandray ny valin’asany ny olona rehetra

« Ary marina ny hanamelohany antsika , satria mandray ny valin’ny nataontsika isika » (and 41) . Fahamarinana izany, tsy maintsy misy valiny ny atao rehetra .Tsara atao mivaly tsara, ratsy atao mivaly ratsy. Jiolahy ny asan’izy roalahy ireto dia tsy maintsy voasazy, ka na dia afaka amin’ny làlan’ny tany aza dia tsy afaka miala amin’ny fitsaran’Andriamanitra. Ry havana, izany no maha-Andriamanitra marina ny Andriamanintsika.

2-Raha mibebaka kosa dia mahazo ny fiainana mandrakizay

« Dia hoy i Jesoa taminy : lazaiko aminao marina tokoa, anio no hihaonanao amiko any Paradisa » (and 43).Jiolahy no asany, olon-dratsy, kanefa ora vitsy alohan’ny nahafatesany dia nahazo ny paradisa, satria nanetry tena, nibebaka tamin’ny fahotany. Na rariny amin’olombelona izany na tsy rariny dia izay no fahamarinana. Ny fialana amin’ny ratsy atao ka tsy mamerina izany intsony no takiana, dia azo antoka ny paradisa. Tsy midika ho fangatahana andro kosa anefa izany ka hanao hoe : « andeha aloha hangataka andro fa rehefa akaiky ho faty vao hibebaka ». Hoy ny Soratra Masina hoe : « Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa » (Romana 8 :1)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.