MOFON’AINA ALAKAMISY 31 MARTSA 2022

24 Ary hoy koa Jeremia tamin’ny olona rehetra sy tamin’ny vehivavy rehetra: Mihainoa ny tenin’i Jehovah, ry Joda rehetra, izay atỳ amin’ny tany Egypta: 25 Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo sy ny vadinareo samy niteny tamin’ny vavanareo sady nanatanteraka tamin’ny tananareo ka nanao hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny, hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka. 26 Koa henoinareo ny tenin’i Jehovah, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin’ny tany Egypta: Indro Aho efa nianiana tamin’ny anarako lehibe, hoy Jehovah, fa tsy hotononin’ny vavan’ny lehilahy amin’ny Joda eran’ny tany Egypta intsony ny anarako hanao hoe: Raha velona koa Jehovah Tompo. 27 Indro, miambina anareo Aho hahatonga loza, fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin’ny Joda, izay atỳ amin’ny tany Egypta, dia ho ringan’ny sabatra sy ny mosary mandra-pahalany ritrany. 28 Ary izay afa-mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin’ny tany Egypta ho any amin’ny tanin’ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin’ny Joda rehetra izay mankany amin’ny tany Egypta hivahiny any dia hahafantatra izay ho tò teny, na ho Izaho, na ho izy. 29 Ary izao no famantarana ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin’ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa tò tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo: 30 Izao no lazain’i Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan’i Egypta, hatolotro eo an-tànan’ny fahavalony sy eo an-tànan’izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ho eo an-tànan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy.JEREMIA 44:24-30

MAMALY NY FAHARATSIANA NA AIZA NA AIZA NY TOMPO

1-Arahiny na aiza na aiza mpanompony

Hoy ny voasoratra : « Ary hoy koa Jeremia tamin’ny olona rehetra sy tamin’ny vehivavy rehetra .Mihainoa ny tenin’i Jéhovah, ry Joda rehetra, izay aty amin’ny tany Egypta » (Jer 44 :24). Efa nanambara Andriamanitra fa Andriamanitry ny akaiky sy ny lavitra Izy, manerana izao rehetra izao, ary mijery ny olona rehetra ety ambany masoandro .Misy tokoa isika mihevitra fa rehefa ivelan’ny tranon’Andriamanitra dia afaka manao zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapony. Fa na aiza isika na aiza dia tokony ho vavolombelon’ny Tompo amin’izay ataontsika avy. Tsarovy ny teniny na aiza na aiza misy anao.

2-Samy eo anatrehany avy isika rehetra

Manafay sy manasazy izay mafy izay mafy sofina sy mafy fo tsy mety hihaino Azy Andriamanitra. Ary tsy ho an’ny olona tao Jerosalema ihany fa niantefa tamin’ny olony tany an-tany hafa izany. Tsy voafaritry ny toerana ny fahefan’Andriamanitra ary tokony ho tahaka izany koa ny fanatanterahana ny sitrapony. Fa maro isika no manao trandraka an-tany mena ka manaraka volontany ary manaraka ny ratsy ataon’ny tany onenantsika .Ireny no kristiana tanalahy ka mifangaro loko amin’ny faharatsiana misy eo amin’ny fiaraha-monina misy azy . Isika no hitenenan’ny Tompo anio.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.