MOFON’AINA ALAKAMISY 31 OKTOBRA 2019

1 Henoy izao teny izao, izay lazain’i Jehovah ny aminareo, ry Zanak’Isiraely, dia ny amin’io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin’ny tany Egypta io: 2 Ianareo ihany no fantatro tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra. 3 Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky? 4 Mierona any an’ala va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra? 5 Voan’ny fandrika ety an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra? 6 Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany? 7 Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony. 8 Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?
AMOSA 3 : 1-8

 NY TENY FAMINANIANA

Ny faminanian’i Amosa dia faminaniana ho an’ny fanjakan’Isiraely tao Avaratra. Fanjakana izay tena nalaza tamin’ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana rehetra. Fanjakana izay tena nanompo sampy tokoa, hany ka 210 taona ihany no faharetan’izany fanjakana izany. Eto Amosa dia nampitondraina teny faminaniana izay

  1. Teny manambara ny momba ny olona (and 1)

DIEM « henoy izao teny nambarany momba anareo izao »

Ilay tenin’Andriamanitra eto dia mazava tsara fa tena milaza sy manambara ny momban’ny olona. Ny toetrany, ny fombany, ny fifandraisany, sns. Ambaran’Andriamanitra amin’ny alalan’ny teny faminaniana arak’izany ny maha-izy azy ny olona tao amin’ny fanjakana Avaratra. Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra ny Tompo ka mampiharihary ny maha-izy azy ny olona rehetra, milaza sy manambara mazava ny momba ny olona rehetra. Anisan’izay mampiavaka an’Andriamanitra ny fahafantarany tsara ny olona rehetra ka mahatonga azy milaza sy manambara mazava izay fahafantarany ny olona izay. Ny mpanao Salamo dia nivaky vava ny amin’ny fahafantaran’ny Tompo azy raha nilaza fa« Jehovah ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. 2 Ianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. 3 Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. 4 Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ny lelako, Jehovah ô » (Sal 139 : 1-4)

  1. Teny nomena mba hampitaina (and 8)

DIEM « ny Tompo Andriananahary no niteny, ka iza no tsy ampita ny hafatra nampitondrainy »
Izao andininy izao dia milaza ny hafatry ny Tompo izay aseho eto ho manana hery ka mampiasa ny olona. Izany hoe hevitr’ilay fanontaniana eto io. Teny nomen’Andriamanitra ka rehefa tafitany any amin’ny olona dia tsy maintsy miasa mampita izany ilay olona nandray azy. Lasa adidy tsy maintsy lazaina, lasa adidy tsy maintsy tanterahina ny mizara azy any amin’ny hafa ny teny faminaniana. Mahery Andriamanitra, mahery ny teniny ka afaka mampiasa ny olona rehetra Izy, afaka mampiasa ny olona rehetra ny teniny. Izany rahateo no nahatonga an’i Paoly ao amin’ny Test Vaovao nilaza fa izay rehetra notsindrian’Andriamanitra tamin’ny Fanahiny Masina dia avy hatrany dia nanoratra ny teniny, nizara izany tamin’ny hafa: « Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra » (2 Tim 3 : 16.)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.