MOFON’AINA TALATA 29 OKTOBRA 2019

18 Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Ianao? 19 Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin’ny hateloana dia hatsangako indray izy. 20 Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Ianao va hahatsangana azy amin’ny hateloana? 21 Fa ny tenany no tempoly nolazainy. 22 Ary koa, rehefa nitsangana tamin’ny maty izy, dia tsaroan’ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain’i Jesoa izy.
JAONA 2 : 18-22

NY FITSANGAN’I JESOA TAMIN’NY MATY

Eo amin’ny and 22 amin’izao mofonaina izao dia efa misy filazana mialoha ny amin’ny fitsanganan’i Jesoa amin’ny maty. Fitsanganana izay haneho ny maha-Andriamanitra mandresy ny fahafatesana Azy, haneho ihany koa ny herin’Andriamanitra afaka manangana amin’ny maty. Ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia

  1. Mampahatsiaro ny tenin’i Jesoa Kristy (and 22)

« Ary koa, rehefa nitsangana tamin’ny maty izy, dia tsaroan’ny mpianany fa efa nilaza izany Izy »

Rehefa tena nitsangana tamin’ny maty tokoa Jesoa dia tsaroan’ny mpianatra arak’izay voasoratra eto fa efa niteny izany Jesoa. Maneho amintsy izany fa tsy mandainga aloha Jesoa. Maneho amintsika ihany koa izany fa izay lazain’i Jesoa dia hainy manatanteraka. Ny fandresena ny fahafatesana arak’izao dia mampahatsiaro ny Soratra Masina, izay voasoratra ao sns… tonga manan-danja amin’ny mpianatra amin’izay nanomboka teo ny Soratra Masina, ny tenin’i Jesoa no tian-kambara amin’izany. Adidin’ny mpianatra arak’izao koa ny mahatsiaro ny tenin’i Jesoa izay mpampianatra azy. Adidiny izay heverina fa hahasoa azy rahateo.

  1. Mitondra ho amin’ny finoana ny Soratra Masina

« ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain’i Jesosy izy »

Tonga nanaiky ny Soratra Masina sy ny zavatra rehetra voasoratra tao ny mpianatra eto. Tsy izany ihany fa nekeny ho Soratra Masina, izany hoe tenin’Andriamanitra koa ny tenin’i Jesoa ka ninoany. Tsy tokony hoadinoina mantsy fa tamin’ny andron’i Jesoa dia mbola ny Testamenta Taloha no Soratra Masina, efa aty aoriana kely vao nampidirina ho isan’ny Soratra Masina koa ny Testamenta Vaovao, izay mirakitra ihany koa ny tenin’i Jesoa sy ny momba Azy rehetra. Eto amin’izao mofonaina izao koa dia misy fampitoviana lanja apetrak’i Jaona Apostoly: « Soratra Masina sy teny izay nolazain’i Jesoa ». Eto mantsy dia samy ninoan’ny mpianatra ireo, izany no maneho ny fitovian-danjany. Tsy hafa fa tena Soratra Masina ihany, tenin’Andriamanitra izay nolazain’i Jesoa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.