MOFON’AINA ALAKAMISY 6 OKTOBRA 2022

11Koa amin’izany, satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no ampanekenay, fa amin’Andriamanitra kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin’ny fieritreretanareo koa. 12 Tsy midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin’ny miseho ihany, fa tsy amin’ny fo. 13 Fa raha very saina izahay, dia ho an’Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo. 14 Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao ho hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; 15 ary maty hamonjy ny olona rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. 16 Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an’i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy. 17 Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 18 Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana, 19 dia izao: Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana. 20 Koa dia iraka solon’i Kristy izahay, toa an’Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo. 21 Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika.II KORINTIANA 5:1-21

NY OLOM-BAOVAO AO AMIN’I KRISTY

1-Vita fihavanana amin’Andriamanitra

« Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany » (and 19)

Teny manambara ny fahafenoan’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy no hita eto. Izy no mpanelanelana eo amin’Andriamanitra sy ny olona ary asan’Andriamanitra ny fampihavanana ataon’i Kristy. Nampihavana ny olona tamin’Andriamanitra teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa Kristy ka izay rehetra nandray izany fampihavanana izany no tonga olom-baovao ary ny olona izay nandray ny fampihavanana nataon’i Kristy ihany no vita fihavanana amin’Andriamanitra. Koa minoa an’i Jesoa Kristy, maneke ny fampihavanana nataony dia hihavana amin’ Andriamanitra ianao.

2-Mitondra fampihavanana

« Koa dia iraka solon’i Kristy izahay …mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo » (and 20)

Paoly Apostoly rehefa nahatsiaro ho vita fihavanana amin’Andriamanitra, nanolo-tena ho an’i Kristy dia nitaona ny hafa hihavana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ihany koa. Tsy nanira-tena anefa i Paoly amin’izany fa nanao ny iraka nampanaovin’i Kristy azy. Sady miasa amin’ny Anaran’i Kristy no misolo tena an’i Kristy mitaona ny hafa hihavana amin’Andriamanitra. Adidin’ny olona izay efa nandray ny famonjena vokatry ny fampihavanana nataon’i Kristy ny mitaona ny hafa. Taomy amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy hihavana amin’Andriamanitra ny olona mba hahazoany fanamarinana avy amin’Andriamanitra ihany koa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.