MOFON’AINA ALAKAMISY 8 SEPTAMBRA 2022

8 Koa nony efa tapitra voalazan’i Jeremia izay rehetra nasain’i Jehovah nolazaina tamin’ny vahoaka rehetra, dia nosamborin’ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao. 9 Nahoana ianao no naminany tamin’ny anaran’i Jehovah hoe: Ho tahaka an’i Silo ity tanàna ity, ary ho lao ity tanàna ity, ka tsy hisy mponina? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin’i Jeremia tao an-tranon’i Jehovah. 10 Fa nony ren’ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin’ny tranon’ny mpanjaka nankany amin’ny tranon’i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan’ny vavahady vaovaon’i Jehovah. 11 Ary ny mpisorona sy ny mpaminany nilaza tamin’ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa efa naminany loza ho amin’ity tanàna ity izy araka izay efa ren’ny sofinareo.12 Dia nilaza tamin’ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin’ity trano sy ity tanàna ity. 13 Koa ankehitriny ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon’i Jehovah Andriamanitrareo; fa hanenenan’i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo. 14 Fa ny amiko, dia, indro, efa eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina. 15 Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy amin’ity tanàna ity ary amin’ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.JEREMIA 26.8-15

1-Miteraka fanamelohana ho an’ny tena ny fahasahiana milaza ny hafatr’Andriamanitra

Antsoina sy tondroina ho mpaminany ireo iraka samihafa voatendry hiteny amin’ny Anaran’Andriamanitra ary raha ny marina dia tsy tena natao ho mpanambara fotsiny ny zavatra mbola ho avy araka ny fiheveran’ny maro akory izy ireny. Mety hanambara no ho avy ihany anefa izy ireny raha azony avy tamin’Andriamanitra izany. Mandrakariva dia mifanohitra ny hevitry ny olona sy ny an’Andriamanitra (Isaia 55 :8) ka tsy maintsy halan’ny olona izay misolo vava an’Andriamanitra tokoa. Izany indrindra no nanjo an’i Jeremia amin’ny maha- mpisolo vava an’Andriamanitra azy dia manambara mahitsy ny hafatr’Andriamanitra izy, kanefa tsy izay nolazainy no nandrasan’ny olona, hany ka tonga hifofo ny ainy ireto olona ireto.

2-Nitaona ny olona hihevitra ny ataony hatrany izy

Na dia izany aza no nanjo azy teo anatrehan’ny olona dia tsy nihemotra velively akory izy .Nanaiky izay mety hataon’ny olona aminy izy, saingy tsy niova akory ny teniny amin’ny maha-mpaminany misolo vava an’Andriamanitra azy. Araka izany, taominy hatrany ireto olona ireto mba hanan-tahotra tanteraka an’Andriamanitra ka hihevitra izay rehetra ataony sy izay alehany. Mila mandanjalanja izany ny olona ka hanontany hoe : manao ahoana izy eo anatrehan’Andriamanitra ? Raha mahafantatra tokoa ny faharatsiany izy dia tokony hibebaka sy hifona eo anatrehan’Andriamanitra. Ampahafantarin’i Jeremia mantsy fa tena tia sy antra ny olony io Andriamanitra ka hanenenany izay loza tokony hataony amin’ny olona raha miverina Aminy ny olona .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.