MOFON’AINA ZOMA 9 SEPTAMBRA 2022

13 Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin’ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin’ny alitara dia miombona amin’ny alitara? 14 Toy izany koa no nandidian’ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin’ny filazantsara. 15 Nefa tsy nahavatra izany zavatra izany na dia kely akory aza aho; ary tsy manoratra izany aho mba hanaovana izany amiko; fa aleoko maty toy izay hisy hahafoana ny reharehako. 16 Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho! 17 Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko, dia natolotra aho ho andraikitro izany. 18 Inona ary no valim-pitia azoko? Dia izao: raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako fandoavam-bola ny filazantsara, mba tsy hanampatra ny fahefako amin’ny filazantsara.I KORINTIANA 9:13-18

« TSY MAINTSY MITORY NY FILAZANTSARA AHO »

Ambara ao amin’ny tantaran’ireo olo-malaza samihafa voalaza ao amin’ny Baiboly fa tsy zara raha nisy fotsiny akory ny nahatonga ireny olona voalaza ato ireny ho mpitory ny Filazantsara .Tsarovy fa tsy maintsy nisy ny fifandraisana tamin’Andriamanitra nifidy sy niantso azy ireny ho mpitory Filazantsara. Hoa an’i Paoly manokana dia efa isan’ireo mpanenjika ny Tompo sy ny olony izy tany am-boalohany .Fa rehefa nisehoan’ny Tompo izy dia nantsoiny ho isan’ny mpitory ny Filazantsar kosa indray (Asa 9) .Izany no nitenenany fa :

1-Tsy misy reharehako ny fanaovako izany

Fantatry ny maro fa tsy izay te-ho mpitory ny filazantsara akory dia ho tonga mpitory mendrika tokoa ? satria aoka ho tsaroana fa asa fanompoana izany , ary tsarovy koa fa nozarazarainy ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana , hoy ny Soratra masina . Tsapa tokoa mantsy ny fisian’ireo olona mirehareha sy mieboebo fotsiny amin’ny fanaovany izany (jereo 1 Tim 3 :6) angamba heveriny ho toy ny hoe : grady izany , ka izay tonga ho mpitory dia misondrotra grady ambony kokoa .I Paoly manokana kosa dia niteny hoe : tsy misy reharehako mihitsy ny fanaovana izany , satria asa fanompoana tena nanirahan’ny Tompo azy izany .

2-Lozako raha tsy mitory izany aho

Amin’i Paoly , araka izany dia zavatra tsy maintsy atao ny fitoriana ny Filazantsara na inona na inona azo avy aminy , na inona na inona vokatry ny nanaovana izany satria natolotry ny Tompo azy ny fanatanterahana izany .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.