MOFON’AINA TALATA 6 SEPTAMBRA 2022

1 Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. 2 Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra. 3 Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo ampovoan’ny amboadia. 4 Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana. 5 Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ity trano ity. 6 Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany. 7 Ary mitoera ao amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano.LIOKA 10 :1-7

Hoy isika hoe rehefa mikely aina mitory filazantsara dia aoka izany fikelezana aina izany hifanaraka amin’izay baikon’i Jesoa Kristy izay maniraka antsika hikely aina. Rehefa mihaino tsara izay zavatra ambaran’i Jesoa isika dia maheno fa hafatra tokana ihany no nomen’i Jesoa an’ireto fitopolo lahy nirahiny hitory ny filazantsara any amin’ny tanàna maro. Tsy inona izany hafatra tokana, hafatra fototra izany fa ny FIADANANA. Ny hoe mitory filazantsara amin’i Jesoa arak’izany dia tsotra : manambara fiadanana. Zavatra azon’ny olona rehetra atao rahateo izany na dia tsy nandalo fiofanana na nianatra momba ny fitoriana ny filazantsara aza izy. Koa raha hikely aina ihany, hafatra tokana sy hafatra fototra no lazaina : fiadanana. Raha miresaka fiadanana isika dia ireto no tsy tokony hohadinoina.

1. Ho an’izay mandray ny mpitory ny filazantsara ny fiadanana tononona (and 5)

« Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ity trano ity »

Rehefa tafiditra ao an-trano ny mpitory dia zavatra voalohany asain’i Jesoa lazaina ao ny fiadanana. Ny hoe « lazao aloha » eto dia ho enti-milaza laharam-pahamehana, zavatra voalohany tsy azo dinganina. Fa tsy asain’i Jesoa tononina eny an-dalana koa anefa izany fa ao an-tokantrano izay mandray ny mpitory. Rehefa mamaky ny Testamenta Taloha isika dia hahatsiaro fa Jesoa no « Andrian’ny fiadanana ». Noho izany izay mandray ny fiadanana tononina dia mandray an’i Jesoa. Izay mandray ny mpitory arak’izany dia toy ny mandray an’i Jesoa izay loharanon’ny fiadanana. Ho an’izay vonona handray an’i Jesoa ihany arak’izany ny fiadanana asaina tononin’izay mikely aina amin’ny asa fitoriana.

2. Ny fiadanana dia midika ho fihavanana (and 6)

« Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo »

Iray amin’izay handikana ny teny hoe fiadanana ny fihavanana. Amin’izay misy fihavanana, tsy misy ady sy korontana mantsy no misy fiadanana. Raha tononina ao an-tokantrano arak’izany ny fiadanana ka manaiky hihavana tsara ilay ao an-tokantrano dia hitoetra ao ny fiadanana izay tononina. Ny hoe zanaky ny fiadanana dia azo adika ihany koa hoe olon’ny fihavanana. Tsy mitoetra ho azy amin’ny toerana iray arak’izany ny fiadanana raha tsy ao ny fiezahan’ny rehetra mihavana tsara. Raha miresaka fihavanana isika dia tsy tokony hanadino fa izay mihavana tsara amin’Andriamanitra no ho afaka hihavana tsara amin’ny mpiara-belona aminy. Tsy maintsy tononina ny fiadanana rehefa mikely aina amin’ny asa fitoriana mampahatsiaro an’izay nanononana izany fa fepetra itoeran’ny fiadanana ny fahaiza-mihavana tsara.

3. Tsy misy fiadanana tsy misy Jesoa

Jesoa no fototra hananana fiadanana. Ivelan’i Jesoa Kristy dia tsy misy fiadanana. Miezaka mikaroka fiadanana eto amin’izao tontolo izao ny olona fa tsy mety mahita izany. Ary isika raha nianatra taranja Filôzôfia tamin’ny kilasy famaranana dia iray amin’ireo olana fototra tsy mety voavahan’ny olombelona ny resaka fiadanana. Tsy mety voavaha noho isika olombelona te hanam-piadanana kanefa tsy miresaka an’i Jesoa. Miezaka mamaha olana maro samihafa ny siansa, mezaka manolotra ireo zavatra rehetra ilain’ny olona izy kanefa tsy mety manam-piadanana ny olombelona. Misy zavatra tsy vitan’ny ezaka maha-olombelona fa tsy maintsy ampidirana an’Andriamanitra vao azontsika. Iray amin’izany ny fiadanana. Anisan’ny hira mahafinaritra indrindra hitaizana antsika Kristianina Protestanta ny hoe : « tsy misy miadana ka afa-po, izay monina eto an-tany, fa izay tia sy mino ny Tompo Jesoa no hahazo ny soa tsy lany » FFPM 506. 1 sy ny hoe : « ianao izay mitady ny fiadanantsoa, amin’izao fiainana izao, ka mandeha mankatsy ary sy aroa, mikorana ary koa milalao, KANEFA tsy mahita izay mahasoa, fa vizana foana ny nofo… Jesoa… no hany hampiadana anao, koa raiso Jesoa ho Tompo Mpamonjy hanapaka ny fiainanao, dia ho hitanao ilay fiadanana haharitra mandrakizay » HF 47. 1.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.