Mofon’aina – Alarobia 01 febroary 2017

8 Ary Andriamanitra niteny tamin’ i Noa sy tamin’ ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:9 Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin’ ny taranakareo mandimby anareo10 sy amin’ ny zava-manan-aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibidia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin’ ny sambofiara, dia ny biby samy hafa rehetra.11 Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin’ ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.12 Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin’ ny zava-manan-aina rehetra eo aminareo hatramin’ ny taranaka fara mandimby:13 Ny avako efa napetrako eo amin’ ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin’ ny tany.14 Ary raha mampiangona rahona eo ambonin’ ny tany Aho, ka hita eo amin’ ny rahona ny avana,15 dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin’ ny zava-manan-aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.16 Ary ho eo amin’ ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny zava-manan-aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin’ ny tany.17 Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin’ ny nofo rehetra ambonin’ ny tany.
GENESISY 9 :8-17

MANORINA NY FANEKENY ANDRIAMANITRA

Manao fanekena Andriamanitra : « tsy fifanekena » fa fanekena na fanekem-pihavanana (DIEM) amin’iza?

1- Fanekem-pihavanana amin’izay mino Azy

Noa dia lehilahy marina sady mahitsy teo amin’ny mpiara-belona aminy (Gen 6.9). Na dia nihasimba sy niharatsy aza ny tany, izy sy ny zanany kosa novonjena. Novonjena isika ary efa nanaovan’ Andriamanitra fanekena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ilay fampihavanana antsika Aminy.

2-Fanekena amin’ny taranaka fara mandimby

Hoy ny Tompo : « Indro Izaho manorina ny fanekeko aminareo sy ny taranakareo mandimby anareo… »Rehefa manao izay mahitsy eo imason’ Andriamanitra isika, ka mandeha araka ny sitrapony, dia hahazo fitahiana hatramin’ny taranaka fara mandimby (and12). Manao fanekena Izy fa tsy hamela antsika ho amin’ny fandringanana sy faharavana. Hahatratra ny zavamananaina rehetra sy ny tany rehetra ny fanekempihavanana. Raha ny fanekena nataon’ Andriamanitra no heverina dia hahatsapa isika fa ny fahotana sy ny fitiavantena tafahoatran’ny olona no manimba ny tontolo iainana ka mahalany tamingana ny biby sy ny zavamananaina .

Fanontaniana:

Efa vita fihavanana amin’ Andriamanitra ve ianao ka nanaovany fanekena?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Amen !