Mofon’aina – Alarobia 01 martsa 2017

1 Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko; Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra.2 Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin’ ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy intsony Aho.3 Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin’ izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangina re!4 Mihainoa izao, hianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo Sy ta-hahafongana ny mpandefitra amin’ ny tany5 Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga6 Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?7 Jehovah nianiana tamin’ ny Reharehan’ i Jakoba ka nanao hoe: Tsy hisy hohadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza!8 Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an’ i Neily sy hihena indray toy ny Neilin’ i Egypta.9 Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany;10 Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy.11 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’ i Jehovah;12 Ary hivembena hatrany amin’ ny ranomasina ka hatrany amin’ ny ranomasina ny olona ary hatrany amin’ ny avaratra ka hatrany amin’ ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin’ i Jehovah izy, nefa tsy hahita.13 Amin’ izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy,14 Dia ireo izay mianiana amin’ ny fahotan’ i Samaria, ka manao hoe: Raha velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon’ i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.
AMOSA 8 :1-14

ILAY ANDRIAMANITRA MANANATRA NY OLONY

1-Andriamanitra mahita ny fiainan’ny olona

Miaina anaty faharatsiana tanteraka ny olona. Manjaka ny fitiavantena ny tsy fiheverana ny hafa. Mijanona ho fombafomba ny fivavahana. Mamatotra ny toetra faharatsiana .Miseho ny fanambakana ny hafa , fanaovana varotra tsy araka ny tokony ho izy ( mangala-danja ary vary ratsy no amidy ) , misy aza ireo miezaka manao izay hampahantra ny mpiara-belona aminy amin’ny alalan’ny fanambakana samihafa . Tsarovy fa tsy misy miafina amin’ Andriamanitra ny ataonao . Noho izany, ialao ny faharatsiana. Mirosoa ho amin’ny fivavahana marina.

2-Andriamanitra mamerina ny olona amin’ny marina

Miharihary eto fa mamaly ny olona araka ny asa nataony Andriamanitra. Tapaka ny fifandraisan’ny olona Aminy, fitsarana miavaka no ataony entina manitsy sy mananatra ny olona. Miova manontolo. Hiaina ao anatin’ny aizina ny olona satria tsy hiseho ny masoandro . Fijaliana sy fahoriana lehibe no hanapaka ny fiainan’ny olona indrindra ireo nanambaka ny mpiara- belona taminy. Fitiavana Andriamanitra , tsy avelany hitoetra amin’ny faharatsiana ny olona noho izany mananatra sy manitsy Izy . Raiso am-pitiavana izay fananarana ataony ho anao ka manaraha Azy amin’ny làlana marina.

Fanontaniana :

Nahoana no misy olona miandry anarina vao mibebaka ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !