Mofon’aina – Talata 28 febroary 2017

37 Ary tamin’ ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesoa ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.38 Izay mino Ahy, dia hisy onin’ ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ ny Soratra Masina.39 Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ ny mino Azy, no nolazainy tamin’ izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesoa tsy mbola niditra tamin’ ny voninahiny.
JAONA 7 :37-39

JESOA NO RANO VELONA MAHAFAKA HETAHETA

Na eo aza ny rano sotroina isanandro dia mihatra amin’ny olona rehetra kosa ny hetaheta ara-panahy. Zavatra telo no ambaran’i Jesoa ho anao anio.

1-Mahatsiarova ho mangetaheta

Tsy hitady rano ny olona raha tsy mahatsiaro ho mangetaheta , tsy hahatsiaro hitady an’i Jesoa ny olona raha tsy mahatsiaro tena ho mpanota . Ilay mpamory hetra nandeha tany amin’ny Tempoly mba hivavaka dia nanao hoe : « Mamindra fo amiko mpanota ». Mahatsiarova tena!

2-Aoka hanatona ny rano

Rehefa nahatsiaro ho namadika Rà marina i Jodasy dia tsy nanatona an’i Jesoa mba hibebaka izy fa namoy fo ka lasa namono tena. Tsy ampy ny fahatsiarovana fotsiny ho mangetaheta kanefa tsy misy ezaka atao. Tahaka izany ireo olona izay mahalala fa tena ilaina ny mandeha miangona any am-piangonana kanefa tsy manetsika ny tongony akory .

3- Misotroa!

Rehefa nasain’ Andriamanitra hikapoka ny vato i Mosesy dia nivoaka ny rano ho an’ny olona izay nangetaheta. Raha sendra tsy nisotro izany kosa ny olona dia hangetaheta ihany izy na dia efa eo aza ny rano. Hoy i Jesoa : « izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony » (and 38).

Fanontaniana :

Aiza ho aiza amin’ireo dingana ireo no misy anao ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !