MOFON’AINA ALAROBIA 03 NOVAMBRA 2021

19Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra. 20Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra. 21Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.22Ny maso no jiron’ny tena; koa amin’izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. 23Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben’izany fahamaizinana izany!24Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna ianareo.
MATIO 6.19-24

Tafiditra tao anatin’ny toriteny teo an-tendrombohitra nataon’i Jesoa ity perikopa ity . Fotoam-piomanana izao :

1-Koa aza mihary zava-mora lo

Zovy amintsika no tsy maniry hanankarena ? Ary fanaontsika mihitsy aza ny mangata-bavaka amin’ny mpanompon’Andriamanitra mba hahombiazan’ny izay hatao hitomboan’ny harena . Misy aza moa fivavahana izay mampianatra fa ny harena no mari-pitahiana . Ambaran’i Jesoa fa zavatra tsy maharitra ireny fa miovaova sy mora levona . Koa raha izany no hametraham-pitokisana dia handiso fanantenana antsika . Raha amin’ny fitenintsika Malagasy dia hoe : « miantehitra amin’ny hazo boboka » . Hoy i Paoly : « Anaro ny mpanankarena amin’izao amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra izay manome malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika » (1 Tim 6.17).

2-Koa miharia harena any an-danitra

Ny haren’ny tany dia miovaova ny sandany , mety misy handrombaka sy hangalatra ary tsy hanam-piadanana fa mampiasa saina isanandro .Koa asain’i Jesoa misafidy ny fiharian-karena any an-danitra isika eto. Ny haren’ny lanitra dia azo antoka fa tsy miova , satria Andriamanitra mihitsy no mitahiry izany . Hoy i Paoly : « Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana izay omen’ny Tompo mpitsara marina ho ahy amin’izay andro izay , ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra tia ny fisehony koa  » (2 Tim 4.8) . Ahoana no hahazoana izany ? Azo amin’ny alalan’ny fankatoavana an’Andriamanitra amin’ny lafiny rehetra . Hoy ny voasoratra : »…Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky …midira amin’ny fifalian’ny Tomponao  » (Mat 25.23)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.