MOFON’AINA ALAKAMISY 04 NOVAMBRA 2021

1 Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza Anao aho. Izany no voninahitro! 2 Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hofohaziko ny fahazavan’ny maraina. 3 Hidera Anao eny amin’ny firenena maro aho, TOMPO ô, ary hankalaza Anao eny amin’ny Jentilisa. 4 Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindramponao ary mipaka any amin’ny habakabaka ny fahamarinanao. 5 Misandrata any ambonin’ny lanitra Ianao, Andriamanitra ô; ary aoka ho etỳ ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao. 6 Mba hahafaka ny malalanao dia vonjeo amin’ny tananao ankavanana aho ka valio.
SALAMO 108.1-6

TAFATOETRA NY FON’IZAY MIANDRY NY TOMPO

« Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko ». Io teny io no hanombohan’i Davida ity Salamo ity . Tononkira manambara fatokiana an’Andriamanitra .

1-Toerana azo antoka ao Aminy

Eo anatrehan’ny ady sy zava-tsarotra atrehantsika eo amin’ny fiainana dia mampianatra antsika ity Soratra masina ity fa misy toerana azo antoka tanteraka. Davida no manambara izany eto, satria efa niaina sy ampy traikefa ny amin’izany. Vokatry ny fitoerany tao amin’Andriamanitra no mampilolotra ny fiderana tao am-pony hoe : «  ny fanahiko no hihira sy hankalaza ». Mahagaga izany hoe : « ny fanahiko no hihira sy hankalaza ». Mahagaga izany hoe : feno hafaliana raha handeha hiatrika ady. Matetika fitaintainana aza no misy eo anoloan’ny ady. Toy izany koa ianao , raha misafidy hitoetra ao amin’Andriamanitra , satria ny adinao dia iandraiketan’Andriamanitra (Vakio Eks 14 :14) , ary i Jesoa dia efa niteny hoe:  «  …Indro , Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao  » (Mat 28 :20)

2-Mampiadam-po ao Aminy

Ny fiderana izay ataon’i Davida eto no taratry ny finoana ao anatiny. Hita aao anatin’ity Salamo ity ny fanantenanana lehibe sy ny finoana matanjaka nananany. Eo amin’ny and 6 dia manambara izy hoe: « mba hahafaka ny malalanao... », mahatsiaro Davida fa malalan’ Andriamanitra. Raha vao mahita izany isika dia tsaroantsika ilay Teny feno fitiavana nataon’Andriamanitra hoe : « zava-poana ho anareo ny mifona maraina sy ny alim-pandry ka homana ny hanina azo amin’ny fahasahiranana. Izany anefa dia omeny ho an’ny malalany , na dia matory aza izy » (Sal 127 :2). Teny izay manambara ny fandraisana’ Andriamanitra an-tànana ny amintsika sady fametrahany antsika ho amin’ny laharam-pitoviana amin’ny zanany.  « Ity no zanako malalako izay sitrako » (Mat 3 :17). Aoka isika mba hanana izany fiadanampo izany koa raha miatrika zava-tsarotra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.