MOFON’AINA ALAROBIA 04 MARTSA 2020

20 Ary tamin’izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan’ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe: 21 Lozanao, ry Korazina! Lozanao, re Betsaida! Fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin’ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. 22 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’i Tyro sy Sidona amin’ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. 23 Ary hianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va hianao? Hietry hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita hianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. 24 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ny tany Sodoma amin’ny andro fitsarana noho ny ho aminao.
MATIO 11 : 20-24

NY ASA NATAON’I JESOA

Rehefa teto amin’izao tontolo izao Jesoa dia tena niasa Izy. Eto amin’izao mofonaina izao dia nisy tanàna telo ambaran’i Matio fa niasan’i Jesoa: Korazina – Betsaida – Kapernaomy. Rehefa tena akaikezina izay ambaran’i Jesoa dia mazava tsara fa asa MARO sy LEHIBE no nataon’i Jesoa tao amin’izao tanàna ireo. Mazava tsara koa anefa fa raha niasa tao amin’ireo tanàna ireo Jesoa dia nisy zavatra nokendrena manokana tamin’izany. Ireto no zavatra nokendren’i Jesoa raha niasa tao amin’ireo tanàna ireo Izy

  1. FIBEBAHANA (and 21)

« Fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin’ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny »

Avy amin’izao tenin’i Jesoa izao no hahatakarantsika fa anisan’izay nokendren’Andriamanitra tamin’ny asan’i Jesoa ny fibebahana. Raha vao miresaka fibebahana isika, ny dikany tsotra indrindra dia fiverenana amin’Andriamanitra. Ny asa rehetra nataon’i Jesoa arak’izany dia mikendry izay hiverenan’ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra indray. Asan’ny zanak’Andriamanitra arak’izao ny mampihavana ny olona rehetra amin’Andriamanitra.Mazava tsara koa eto amin’izao mofonaina izao fa na dia nanaovana asa lehibe sy maro aza Korazina sy Betsaida dia tsy mba tonga tamin’izany fibebahana izany ny vahoaka tao. Ary izany no nahatonga an’i Jesoa nilaza fa LOZA. Loza satria nandanian’ny zanak’Andriamanitra fotoana, hery ny hemerenana azy amin’Andriamanitra kanefa tsy mba nanaiky hihavana amin’Andriamanitra izy ireo.

Mila mandray lesona avy amin’izany isika ankehitriny, sao misy asa lehibe sy maro ataon’Andriamanitra amintsika kanefa tsy mba miverina Aminy isika, mila maka lesona isika mba tsy hahita loza.

  1. FIAROVANA (and 23)

« fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy »

Misy asa nataon’i Jesoa koa tao Kapernaomy, ary raha ny marina anisan’ny tanàna voalohany nanaovan’i Jesoa ny asany ity Kapernaomy ity. Niasa tao Jesoa noho ity tanàna ity nanamarika ny fahazazany sy ny fahatanorany. Ary araka ny tantara dia antsoina hoe tanànan’i Jesoa izy ity. Niasa tao Jesoa mba ho voaaro amin’izay fandringanana ho avy toa izay nahazo an’i Sodoma sy Gomora Kapernaomy. Noho ireo olona tao efa zatra an’i Jesoa, nahita ny fahazazany sy ny fahatanorany dia tsy nandray ny asan’i Jesoa izy ireo. Ambaran’i Jesoa fa loza koa satria raha mba tany Sodoma sy Gomora no natao ireo asa ireo dia tsy nolevonin’Andriamanitra ireo tanàna ireo. Avy amin’izao tantara izao no hahatakarantsika fa ny asa nataon’i Jesoa dia tena miaro, miaro amin’izay endrika fandriganana samihafa amin’ny ho avy.

Mila mandray tsara ny asan’i Jesoa isika, sao sanatria ka holevonina koa raha minia tsy mandray izany. Izay rehetra miverina ao amin’Andrimanitra arak’izany dia mila mandray tsara an’i Jesoa sy ireo asa notanterahiny teto amin’izao tontolo izao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.