Mofon’aina – Alarobia 07 desambra 2016

11 Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny hianareo, fadio ny filan’ ny nofo, fa miady amin’ ny fanahy ireny;12 ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin’ ny jentilisa, mba hankalazany an’ Andriamanitra amin’ ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.
1 PETERA 2 :11-12

AHOANA NY FOMBA HITAOMANA NY JENTILISA HANKALAZA NY TOMPO ?

Nanoratra ity taratasy ity i Petera mba hampahery antsika kristiana miely amin’ny toerana samihafa. Ambarany eto fa « vahiny sy mpivahiny »ny mino (and 11) no sady miavaka amin’ny jentilisa (and 9, 10). Ambara eto fa raha tiana hiova hankalaza an’ Andriamanitra ny mpanompo sampy dia tokony haneho toetra mendrika eo imasony isika mpino . Toy izao izany :

1- Fadio ny filan’ny nofo (and 11 a)

Tsiahivin’i Petera ny tenin’i Jehovah manao hoe: « Ho masina ianareo, satria masina Aho » (1 Pet 1.16). Ny hoe: « mifady » dia tena tsy mikasika sy tsy mifangaroharo. Tsy manao filan-dratsy ara-nofo tahaka ny jentilisa, fa mamono ny fiainam-panahy izany. Tsy mety ho voataona hivavaka ny jentilisa raha mbola mahita olona milaza tena ho kristiana kanefa mbola mijangajanga , na mangalatra na koa manompo sampy tahaka azy ihany .

2-Mahaiza mitondra tena (and 12)

Halan’izao tontolo izao ny mpino satria tsy namany : enjehiny sy ankalazainy ary teneniny ratsy … Eo anatrehan’izany indrindra no hanehoana aminy toe-panahy tsara : tsy mamaly ratsy na manao lolompo sy mihatsaravelatsihy , tsy mialona (and1). Namabaran’i jesoa fa « sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana »(Mat 5.10 ).Raha mahatandrina izany isika dia hiaky ny jentilisa ka hanaklaza a an’ Andriamanitra .

Fanontaniana:

Indraindray dia ny olona akaiky ny tena indrindra no tsy voataona . Nahoana?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !