MOFON’AINA ALAROBIA 10 NOVAMBRA 2021

36 Rehefa avy nampody ny vahoaka Jesosy dia niditra tao an-trano ary nanatona Azy ny mpianany dia niteny hoe: mba lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny tsimparifary tany an-tanimbary.37 Ary Izy namaly hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’Olona; 38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ireo zanaky ny fanjakan’ny lanitra; ny tsimparifary dia ireo zanak’ilay ratsy; 39 ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan’izao tontolo izao ary ny mpijinja dia ny anjely. 40 Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin’ny afo dia toy izany no hatao amin’ny fahataperan’izao tontolo izao. 41 Ny Zanak’Olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka, 42 dia hanipy azy any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. 43 Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.
MATIO 13 :36-43

FANTARO MBA HO TAFATOETRA IANAO

1-Mpamafy voa tsara

Jesoa no mpamafy voa tsara, araka ny hita eo amin’ny and37 ary ilay voa nafafiny dia ny zanaky ny fanjakan’ny lanitra . Tsy nafafiny any an-danitra io fa nafafiny eto amin’izao tontolo izao .Tsaroana eto ilay vavaka nataony hoe : « Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy » (Jao 17 :15). Vokatra tsara no andrasan’Andriamanitra amintsika mba hahafaly Azy amin’ny fotoam-pijinjana. Ny mpamafy ihany no ho tomponandraikitra amin’ny fijinjana sy nhy fanangonam-bokatra .Ny anjarantsika dia ny mamoa voa tsara. Hita eto fa ny vary dia tonga vary ihany . Hoy i Jesoa : « eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny ao am-pamoloany kaanngonany ny vary ho any amin’ny sompiny, fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ny afo tsy azo vonoina  » (Lio 3 :17).Mitandrema sao voa tsara ihany ianao fa manakofa dia hariana ihany .Ivelomy ny Tenin’Andriamanitra hahatonga anao ho misy lanja eo amin’ny Tompo.

2-Mpamafy voa ratsy

Ny mpamafy voa ratsy dia ny devoly (and 39) ary ny voa ratsy nafafiny ( tsiparifary )dia zanak’ilay ratsy . Ny tsiparifary dia sady tsy ahazoam-bokatra tsara no manimba ny tanimbary ary voalaza eto fa tany iray ihany no naniriany niaraka tamin’ny vary .Mila mitandrina amin’ny herin’ny ratsy isika satria mitombo miaraka amintsika eto amin’ity tany ity izany , ary mihaza antsika andro amana alina . Koa « mahonona tena, miambena fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany » (1Petera 5 :8).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.