MOFON’AINA ZOMA 12 NOVAMBRA 2021

23 Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin’ireny ny tandindon’ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan’ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin’izay fanatitra tsara noho ireny.24 Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon’ny tena fitoerana masina, fa mankany an-danitra mihitsy; ary ankehitriny Izy dia miseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika; 25 ary tsy niditra Izy mba hanolotra ny tenany matetika, tahaka ny Mpisoronabe miditra ao amin’ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran’ny zavatra hafa; 26 fa raha izany dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’izao andro farany izao Izy mba hanafaka ny ota tamin’ny nanolorany ny tenany. 27 Ary tahaka ny nanendrena ny olona ho faty indray mandeha, koa rehefa afaka izany dia hisy fitsarana, 28 dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro dia hiseho fanindroany, tsy amin’ota, fa ho famonjena kosa amin’izay miandry Azy.
HEBREO 9 : 23 – 28

TAFATOETRA NY FON’IZAY MIANDRY NY TOMPO

Manomboka any amin’ny andininy faha 11 eo alohan’ity perikopantsika anio ity dia efa miresaka ilay Tabernakely natao tanana sy ilay tsara lavitra ny mpanoratra. Toerana manamarika ny fanatrehan’Andriamanitra sy anateram-panatitra.

1- Jesoa miditra hanafaka anao

Ambara eto fa tsy mba niditra tao amin’ity fitoerana masina nataon-tanana ity i Jesoa mba hitondra fanatitra izay fanaon’ny mpisorona. Tsy nitondra biby atao fanatitra ihany koa Izy. Fa tandindon’ny any an-danitra ihany izay hita tety an-tany. Ny mpisorona raha nitondra fanatitra ho an’ny olona iray dia mitondra izany ho an’ilay olona nanolotra ilay biby natao fanatitra. Fa i Jesoa kosa dia nitondra ny tenany ho fanatitra ho antsika, izay mametraka ny fahotan-tsika ho eo am-pototry ny hazo fijaliany. « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra » (1 Jao 1 : 9). Izy tenany no niditra niseho teo anatrehan’Andriamanitra ho ahy sy ho anao.

2- Jesoa manatitra fanatitra indray mandeha

Fanao talohan’ny nahatongavan’i Jesoa ny mamono biby fanatitra noho ny ota. Ary indraindray ary dia arakaraka ny fanananao no anomezanao ny biby atao sorona. Izany asan’ny mpisorona izany anefa tsy vita indray mandeha fa miverimberina hatrany. Rehefa nanao sorona ny Tenany kosa i Jesoa ho fanavotana antsika dia indray mandeha tsy miverina ny Azy. Tsarovy ry havana fa rehefa hiverina Izy dia tsy hanao sorona fanindroany ho an’ny ota intsony fa tonga hitsara ny velona sy ny maty ary hitondra famonjena mandrakizay ho an’izay mitoetra mahatoky amin’ny fiandrasana Azy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.