MOFON’AINA ALAKAMISY 14 JOLAY 2022

1 Aoka izay andevo rehetra eo ambanin’ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra sy ny fampianarana. 2 Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.3 Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, 4 dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala amin’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, 5 fifandirana lalandava, fanaon’ny olona vetaveta saina sady efa nialan’ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ho fahazoan-javatra. 6 Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. 7 Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. 8 Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany. 9 Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. 10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be. 11 Fa ianao kosa, sy lehilahin’Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. 12 Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro. 13 Izaho mananatra anao eo anatrehan’Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan’i Kristy Jesoa, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’i Pontio Pilato, 14 mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika izany didy izany; 15 ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo, no haneho izany amin’ny fotoany; 16Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.I TIMOTY 6:1-16

NY ZARA FANOMPOANA AN’ANDRIAMANITRA DIA :

1-Tsy natao hitadiavana tombotsoa manokana

« Fa ianao kosa ry lehilahin’Andriamanitra , mandosira izany zavatra izany … »(and 11) , hoy i Paoly tamin’i Timoty .Tsy nantsoina hoe : zanaka izy eto fa natao hoe: « lehilahin’Andriamanitra » . Notsipihany tsara fa manana anjara fanompoana manokana mihoatra noho ny olona hafa i Timoty ka tokony hitandrina tsy ho latsaka amin’ny filàn-karena sy ny fitiavam-bola ary « mandosira » mihitsy ny matoanteny ampiasaina eto , entina ilazana hoe : alaviro mihitsy .Tsy natao ho fangoronan-karena akory ny fitoriana ny Filazantsara na ny andraikitra manokana eo anivon’ny fiangonana fa natao hampitana madiodio ny Tenin’Andriamanitra ho famonjena ny olona rehetra. Tsy zava-baovao akory izany, fa efa nataon’i Jesoa ka tsy nilàny tombony sy tambiny akory, fa ny ainy indray aza no natolony .

2-Natao hitoriana an’i Kristy manana ny tsy fahafatesana

Ny tena zava-dehibe sy tokony hasongadina indrindra amin’ny asantsika izay nomena anjara fanompoana manokana dia ny hampitana amin’izao tontolo izao fa i Kristy ary Izy irery ihany no hany nandresy ny fahafatesana sy manana ny tsy fahafatesana , dia ny fiainana mandrakizay ka afaka manolotra izany ho an’izay rehetra mino Azy .Tsy toky efa nomena rahateo ve ny hoe : « ary izay velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay » (Jao 11.26). Noho izany , torio madio sy mazava ny Tenin’Andriamanitra , izay tsy inona fa i Kristy maty sy nitsangana tamin’ny maty ary velona mandrakizay . Izany rahateo no fototry ny finoantsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.