MOFON’AINA ALAROBIA 14 SEPTAMBRA 2022

42 Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesoa ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy. 43 Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy. 44 Ary Izy nitori-teny tao amin’ny synagoga eran’i Galilia.LIOKA 4:42-44

NY TENY SOA MAHAFALY NY AMIN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA DIA :

1-Natao ho an’ny olona rehetra

Fomban’i Jesoa ny mitory ao amin’ny Synagoga rehefa vory ny vahoaka hivavaka , hihaino ny Tenin’Andriamanitra .Nampianatra izy , nitory ny vaovao mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra ho an’ny malahelo sy ny fanavotana ho an’ny ory .Nanamarika izany ny asa fanasitranana nataony (ara-panahy sy ara-nofo) .Vokatry ireo asa nataon’i Jesoa ireo dia te- hihazona azy ny olona (and 42), natao ho an’ny olona rehetra izy .Mampahatsiahy ny fiangonana ankehitriny koa i Jesoa fa tsy azo ferana amin’ny toerana iray ny Tenin’Andriamanitra , fa natao ho an’ny olona rehetra .

2-Tsy maintsy toriana

Voasoratra hoe: « ary Izy nitory teny tao amin’ny Synagoga eran’ny Galilia » (and 44). Koa satria natao ho an’ny olona rehetra ny Teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia nanan-danja tamin’i Jesoa ny asa fitoriana , izay antoky ny famonjena ny fanahy . Nikely aina fatratra Izy satria izany no nanirahana azy. Midika izany fa te- hamonjy ny tany rehetra izy ka nanome baiko ny mpianatra hoe : « Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra » (Mar 16 :15) .Maniraka ny fiangonana ankehitriny koa Jesoa mba hanohy ny asa izay efa natombony, dia ny hanambara ny Teny soa mahafaly amin’izao tontolo izao mba handraisana ny famonjeny. Asain’i Jesoa mitety tanàna maro koa isika amin’ny alalan’ny Tafika masika, miala amin’ny toerana mahazatra .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.