MOFON’AINA ALAKAMISY 15 SEPTAMBRA 2022

36 Ary Jesosy mbamin’ny mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin’ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho. 37 Ary nitondra an’i Petera mbamin’izy roa lahy zanak’i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra. 38 Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko. 39 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. 40 Ary nankeo amin’ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin’i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo! 41 Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery. 42 Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao. 43 Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony. 44 Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany. 45 Dia nankeo amin’ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak’olona hatolotra eo an-tànan’ny mpanota. 46 Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.MATIO 26:36-46

NY VAVAK’I JESOA KRISTY TAMIN’NY ADY ARA-PANAHY NAHAZO AZY

1-Maneho fankatoavana ny sitrapon’ny Rainy

Fadiranovana loatra ny fanahin’i Jesoa. Niankohoka nivavaka tamin’Andriamanitra Ray Izy .Fantany fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra satria manana fifamatorana tsy azo tononina Izy sy ny Ray, ka hoy izy hoe : « Ray o ! raha tsy azo esorina ity fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no atao (and 42). Na dia ory indrindra aza ny fanahin’i Jesoa dia naneho ny fanjaan’ny Rainy hatrany ny vavaka nataony. Nampianatra antsika hivavaka koa i Jesoa hoe : « … Hatao anie ny sitraponao » (Mat 6 :10). Vavaka feno fianam-pianakaviana no tian’Andriamanitra, ary handeha samy hanaiky ny sitrapony hatrany isika eo amin’ny fiainantsika.

2- Nahazoany hery

Voalaza eto fa intelo nivavaka Jesoa, nandresy ny horohoro ary nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra hatrany Izy .Niroso tamin’ny fahatoniana hanatona ireo nanenjika Azy, ka hoy izy tamin’ny mpianatra : « Mitsangana, andeha isika, indro efa akaiky ilay mamadika ahy » (and 46). Ny fihaonany tamin’Andriamanitra no nahazoany fandresena sy fahombiazana. Afaka niatrika ny fijaliana sy ny fahoriana, eny manaiky hatramin’ny fahafatesana aza .Tsy nihemotra Izy tamin’ny ady natrehany arakaraka ny nandrosoany hery. Ianao koa, mandrosoa fa aza mihemotra. Aoka hilofo amin’ny vavaka satria ny vavaka no vahaolana tokana handresena. « Fa miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery ianareo » (Lio 21 :36)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.