MOFON’AINA TALATA 13 SEPTAMBRA 2022

9 Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an’Andriamanitra. 10 Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin’ny vavahady Itsaraendrika eo amin’ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy. 11 Ary raha nihazona an’i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin’izy telo lahy teo amin’ny fialofana izay atao hoe Fialofan’i Solomona, ka talanjona. 12 Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin’izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha? 13 Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa Mpanompony, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’i Pilato, rehefa nokasainy halefa. 14 Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo; 15 fa ny Tompon’ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty, ary vavolombelon’izany izahay. 16 Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin’ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.ASAN’NY APOSTOLY 3 :9-16

NY FIASAN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY MPANOMPONY

1-Mampitodika ny olona ho ao aminy

Nisy lehilahy iray malemy, mpangataka teo an-kianjan’ny tempoly . Rehefa nadalo i Petera sy Jaona dia nanantena fanampiana izy, fa nanasitrana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy avy any Nazareta na nataony taminy. Izao asa nataon’i Petera sy Jaona izao dia hitodihan’ny olona ho ao amin’Andriamanitra, ka tsy ilay marary ihany fa izay nanatrika ihany koa. Maneho izany fa ilay Andriamanitra efa nitahy hatrizay dia tsy miova fa izy ihany no nanaraka an’i Jesoa ho amin’izao tontolo izao, ka nasandrany ho amin’ny voninahitra, satria ny Anaran’i Jesoa Kristy dia efa voalazan’isaia 53 :12 , fa Izy no hahatanteraka ny asam-pamonjena. Naneho ny tenany ho fitaovana fotsiny ihany i Petera, fa ny tena manasitrana dia i Jesoa. Ianao koa no ataon’Andriamanitra hampitodika ny olona ho ao Aminy .

2-Maneho no maha-zava-dehibe ny finoana

Nampahatsiavin’i Petera ny zavatra izay nanjo an’i Jesoa Kristy fony izy teto an-tany .Notanisain’i Petera izay ratsy nataon’ireto vahoaka ireto tamin’i Jesoa. Asehon’iPetera eto fa finoana an’i Jesoa ilay nitsangana tamin’ny maty no nahazoan’ity lehilahy ity fanasitranana. Mampahatsiaro ny tenin’I Jesoa tamin’ilay vehivavy mpanota tao an-tranon’i Simona fariseo hoe : « ny finoanao efa namonjy anao » (Lio 7 :50). Ny finoana dia mahasitrana, misy lanjany lehibe amin’ny Jiosy izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.