Mofon’aina – Talata 14 martsa 2017

13 Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’ i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ ny làlanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.14 Kanefa tsy nihaino izy, fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany, izay tsy nino an’ i Jehovah Andriamaniny.15 Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ ny razany mbamin’ ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’ i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.16 Ary nahafoy ny didin’ i Jehovah Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho an’ ny tenany, dia ombilahy kely roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra ary nanompo an’ i Bala.17 Ary nampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo izy, sady nanao fankatovana sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ka nampahatezitra Azy.18 Koa dia tezitra indrindra tamin’ ny Isiraely Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony izy, ka tsy nisy sisa afa-tsy ny firenen’ i Joda ihany.19 Ary ny Joda koa aza tsy mba nitandrina ny didin’ i Jehovah Andriamaniny, fa nandeha araka izay rehetra nataon’ ny Isiraely koa.20 Dia narian’ i Jehovah ny taranak’ Isiraely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-tànan’ ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.21 Fa nendahany niala tamin’ ny taranak’ i Davida ny Isiraely; ary ny olona nampanjaka an’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata; ary Jeroboama dia nampiala ny Isiraely tsy hanaraka an’ i Jehovah ka nampanota azy indrindra.22 Ary ny Zanak’ Isiraely nandeha tamin’ ny fahotana rehetra nataon’ i Jeroboama, fa tsy niala tamin’ izany izy23 mandra-panaisotr’ i Jehovah ny Isiraely tsy ho eo anatrehany, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Ka dia lasan-ko babo niala tamin’ ny taniny ho any Asyria ny Isiraely ka mbola any mandraka androany.
2 MPANJAKA 17 :13-23

NY OLONA TSY MANDRAY FANANARANA

1-Tsy mety mihaino

Hitan’ Andriamanitra  fa mivily làlana  ny olona . Naniraka  mpaminany Izy mba hananatra, hitaona ny olona  hiverina Aminy. Mitaona  ny olona  hankato  ny didiny sy ny fitsipiny . Miharihary  eto  fa tsy mety  nihaino ny irak’ Andriamanitra  ny Zanak’Israely  fa nifikitra  tamin’ny faharatsiany hatrany, niroso hatrany tamin’ny fanompoana andriamanin-kafa. Miharihary  fa ny olona tsy mandray fananarana  dia olona mafy fo  tsy mety mihaino  ny antsom-pitiavana ataon’ Andriamanitra aminy. Vokany: tsy  mety mibebaka  miala amin’ny faharatsiana. Ianao kosa ,aza manamafy ny fonao  fa mandraisa fananarana .

2-Iharan’ny famaizana

Rehefa  tsy mety mihaino  ny irak’ Andriamanitra  ny Zanak’Israely , nandeha  tamin’ny ditry ny fony  nanaraka andriamanin-kafa , niodina Taminy , nandeha  tamin’ny endri-paharatsiana rehetra  dia ho avy ny famaizana azy ireo . Hananatra  sy hanitsy   azy ireo Andriamanitra hahatsapany fa làlan-diso no nizorany, tafasaraka tamin’ Andriamanitra, loharanom-pitahiana izy. Ho avy ny fampahoriana  ataon’ny fahavalony, eny, ho rava aza ny fireneny  ka ho babo  any an-tanin’olona izy ireo . Tsarovy àry,  fa rehefa tafasaraka amin’ Andriamanitra ny fiainantsika dia mandalo fotoan-tsarotra isika. Fananarana ataony izany , antso hiverenantsika Aminy .

Fanontaniana:

Nahoana  no misy  olona tsy mety mandray ny antso ataon’ Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !