Mofon’aina – ALAROBIA 15 NOVAMBRA 2017

9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!10 Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin’ asa homeny dia eo anoloany.11 Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
ISAIA 40 :9-11

MANDRA-PIAVIN’NY  TOMPO

Hafatra   miantefa  manokana  amin’ny  fiangonana no hitantsika eto. Isika fiangonana  ankehitriny  mantsy  no  tondroina  amin’ny hoe : Ziona na Jerosalema. Miandry  ny fiavian’ny  Tompo  isika  kanefa  koa mamita  iraka mandra-piaviny. Noho izany :

1-Torio hatrany ny  Filazantsaran’i Jesoa Kristy (and 9-10)

Ny Filazantsaran’i  Jesoa Kristy maty  sy nitsangana  tamin’ny maty  ka nandresy  ny fahafatesana  io  teny soa mahafaly  tsy maintsy  torina sy ambaran’ny  fiangonana  io  .Esory ny tahotra  fa efa nomen’ny  Tompo  antsika  ny fahefana , ary efa nataony  eo am-bavantsika    fiangonana  ny Teniny . Mitsangàna  hitory  izany vaovao  mahafaly  izany  manerana ny Nosintsika. Ambarao  ihany koa ny  tsy maintsy  hiaviany indray  hitsara  ny olona rehetra .

2-Lazao, ny  maha-Mpiandry  tsara Azy (and 11)

Asongadina  eto  ny maha- Mpiandry  tsara  an’ Andriamanitra. Tanteraka tao  amin’i Jesoa tokoa izany  (Jao 10). Tsy  zava-mahatahotra ho an’ny mpino  ny fiavian’ny  Tompo  indray. Andro hisehoany amin’ny maha- Mpiandry  tsara Azy izany  mba hanangonany antsika ondriny ho andiany  iray eo  ambany fiandrasany. Amin’izay  dia hiainantsika amin’ny fahafenoany  tokoa izay voalazan’ny Sal 23.

Fanontaniana :

Ahoana no tokony hampiharan’ny fiangonana io and 9 io  eo amin’ny fanaovana Tafika masina ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !