Mofon’aina – TALATA 14 NOVAMBRA 2017

19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Ianao.20 Ny razantsika nivavaka teto amin’ ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.21 Hoy Jesoa taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ ny Ray.22 Ianareo mivavaka amin’ izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’ izay fantatray, satria avy amin’ ny Jiosy ny famonjena.23 Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ ny Ray amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka Aminy ho tahaka izany.24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka Aminy tsy maintsy mivavaka amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana.25 Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.26 Hoy Jesoa taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.
JAONA 4 :19-26

I JESOA  IZAY ANDRASANA

Nitory  tamin’ny vehivavy   Samaritana  iray i Jesoa. Niezaka  nandresy lahatra Izy. Nambarany  tamin’ity vehivavy ity  ny marina : nampahafantatra  i Jesoa  fa :

1-Izy  no tsy maintsy  inoana (and 21)

Maneke  Ahy  , matokia  Ahy  . Tarihin’ny Tompo ho  amin’izany   ity  vehivavy miresaka Aminy  ity . Ny mahazatra  azy mantsy  dia ny mivavaka  amin’izay  andriamanitra    tsy fantany. Hitany ankehitriny  Ilay Andriamanitra tokony inoana  ka dia taomin’ny  Tompo  izy  handray ny fanambarany, minoa  ahy ,hoy i Jesoa . Anio  no itaoman’ny  Tompo antsika mba hino  Azy  sy  ny fanamabarany. Atsaharo  hatreo  ny finoanoam-poana . Mampahafantatra ihany  koa i Jesoa fa:

2-Andriamanitra irery ihany  no ivavahana 

Ny tena mpivavaka  dia izay  mivavaka  amin’ Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy. Lamina efa  napetrak’ Andriamanitra  hatrany  amin’ny andron’ny Testamenta Taloha  izany. « Aza manana andriamaninkafa fa Izaho  ihany », hoy Izy (Eks 20 :3). Misafidiana  hivavaka amin’ Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy  ary  aoka,   hivavaka  Aminy  amin’ny fanahy  sy  ny fahamarinana  marin tokoa  isika  mandra-piavin’ny  Tompo . Na iza na iza  dia samy  antsoin’i Jesoa hivavaka amin’ny Ray  amin’ny fanahy   sy ny fahamarinanan sy hino  Azy  ho  ny Mpamonjy.

Fanontaniana:

Hatraiza no hanekena ny filazan’ny  sasany hoe: Andriamanitra  iray ihany  no ivavahana?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !