MOFON’AINA TALATA 24 SEPTAMBRA 2019

9. Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay. 10. Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà.
1 TANTARA 28 : 9,10

ANDRIAMANITRA MIFIDY OLONA HANOMPO AZY

Ity mofonaina ity dia mitantara amintsika ny nifidianan’Andriamanitra an’i Solomona hanompo an’Andriamanitra. Fanompoana an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanamboarana ny tempoly tao Jerosalema. Andriamanitra mifidy olona hanompo Azy ka

  1. Manome anjara tandrify ny rehetra

« Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina »

Davida araka ny tantara no nanangona ny fitaovana rehetra ho amin’ny fanamboarana ny tempoly. Ary rehefa voaangona izany dia ambaran’ny mpanoratra ny tantara fa efa antitra Davida ary efa akaiky ho faty. Solomona zanany arak’izany no notendren’Andriamanitra handimby azy, teo amin’ny fitondrana fanjakana ka hamita ny tempolin’Andriamanitra. Tamin’ny zanak’i Davida rehetra dia Solomona no nofidin’Andriamanitra amin’ity andraikitra ity. Manangona fitaovana no anjaran’i Davida, manao ny tranon’Andriamanitra no anjaran’i Solomona. Izao dia maneho amintsika fa manana ny anjarany tandrify avokoa ny olona rehetra amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ary Andriamanitra no manome io anjara tandrify ny rehetra io.

  1. Mampahery sy mandrisika

« Mahereza ka mahefà »

Rehefa nofidin’Andriamanitra isika amin’ny fanompoana Azy dia tokony hahatsiaro mandrakariva fa mampahery antsika hatrany ny Tompo. Manamafy izany izao tenin’Andriamanitra ho an’i Solomona izao. Teny mampahery, manome hery sy teny mampirisika hahatanteraka ny asan’Andriamanitra nifidianany. Ny hoe mahefà dia tsy tokony hadinoina fa misy asa tanterahina ao ambadika. Ary amin’ny dikan-tena sasany dia MIASÀ no voasoratra. Midika izany fa ny fampaherezan’ny Tompo dia ho an’ny miasa, ho an’izay tsy hipetrapetraka, ho an’izay vonona handray andraikitra hanatanteraka ny anjara tandrify azy. Mahereza ry havana amin’izay anjara tandrify antsika rehetra ary MIASÀ.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.