MOFON’AINA ALAROBIA 20 MAY 2020

1 Ary Jesoa feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentiny’ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy 2 ka nalain’ny devoly fanany. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin’izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy. 3 Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak’Andriamanitra Ianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo. 4 Fa Jesoa namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: « Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona » (Deo. 8. 3). 5 Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao. 6 Diy hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin’ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; 7 koa raha hiankohoka eto anatrehako Ianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany. 8 Fa Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: « Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao » (Deo. 6. 13; 10. 20). 9 Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon’ny Tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mivarina any ambany any; 10 fa voasoratra hoe: « Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao; 11 Ary eny an-tànany no hitondran’ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao » (Sal. 91. 11, 12). 12 Fa Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: « Aza maka fanany an’i Jehovah Andriamanitrao » (Deo. 6. 16). 13 Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.
LIOKA 4 : 1-13

JESOA NIARA-NIASA TAMIN’NY FANAHY MASINA

Ny mpanoratra ny filazantsara rehefa nitantara an’i Jesoa teto amin’izao tontolo izao dia nitantara Azy tamin’ny fahafenoana. Voatantara tsara ary niseho tokoa ny maha-Andriamanitra Azy. Dia toa izany koa ny maha-olombelona Azy. Rehefa vita batisa Jesoa eto dia ambaran’i Lioka fa feno ny Fanahy Masina ary noentiny halain’ny devoly fanahy tany an’efitra. Ambaran’ny and 13 anefa fa niala maina satana ka tsy nahalavo an’i Jesoa tamin’ny karazana fakam-panahy maro. Tsy zavatra tonga tonga ho azy anefa izany fandresen’i Jesoa ny fakam-panahy izany fa noho ny fiaraha-miasany, noho ny fiombonany tanteraka tamin’ny Fanahy Masina. Arak’izany Jesoa Kristy dia

  1. Feno ny Fanahy Masina (and 1)

« Ary Jesoa feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana »

Ny hoe feno ny Fanahy Masina dia enti-milaza fa tsy nanan-toerana ho an’ny fanahy hafa intsony Jesoa tao Aminy. Nameno tanteraka an’i Jesoa ny Fanahy Masina. Nanjaka tanteraka tao amin’i Jesoa ny Fanahy Masina. Nanjaka tokana tao amin’i Jesoa ny Fanahy Masina. Nanapaka tanteraka an’i Jesoa ny Fanahy Masina. Azo raisina avy amin’izao fampianaran’ny Lioka momba ny Fanahy Masina izao ny hoe: ny Fanahy Masina dia na manjaka tokana ao amin’ny olona na tsy ao mihitsy. Rehefa tsy Izy irery no ao amin’ny olona, rehefa tsy avelan’ny olona hitoetra irery ao aminy Izy dia miala ao. Tsy manaiky miara-monina amin’ny fanahy hafa ao amin’ny olona ny Fanahy Masina. Te hampianatra antsika mpamky Lioka, fa azo atao tsara ny mampitoetra samirery ny Fanahy Masina ao amin’ny olona mba hanjaka tokana azo Izy. Azon’ny Fanahy Masina natao tamin’i Jesoa olona izany, ary azon’ny Fanahy Masina atao amin’ny olona rehetra koa. Meteza arak’izao hofenoina ny Fanahy Masina dia tsy hisy toerana ho an’ny fanahy hafa intsony ao amintsika.

  1. Notarihin’ny Fanahy Masina (and 1,2)

« ary nentiny’ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy 2 ka nalain’ny devoly fanany. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin’izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy »

Rehefa tao amin’i Jesoa ny Fanahy Masina dia nitondra Azy, nitarika Azy tany an’efitra. Andriamanitra mitondra sy mitarika ny Fanahy Masina. Noentiny tany an’efitra Jesoa mba halain’ny devoly fanahy, hosetraina ny maha-zanak’Andriamanitra Azy, hosetraina ny fiombonany feno amin’ny Fanahy Masina. Setraina amin’ny alalan’ny fakam-panahy izany. Aza adinoina fa ny fakam-panahy dia fomba ho enti-misetra ny fiombonana feno amin’Andriamanitra.

Misy fotoana dia tena setraina toa izao koa ny fiombonantsika amin’Andriamanitra, ny firaisantsika amin’i Jesoa sy ny Fanahy Masina. Mampianatra antsika koa Lioka fa mitondra sy mitarika antsika halain’ny devoly fanahy ny Fanahy Masina. Noho izany, meteza hotarihan’ny Fanahy Masina na dia zavatra sarotra aza izany.

  1. Nandresy ny fakam-panahy (and 3-13)

« Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha »

Nandresy an’i satana mpaka fanahy Jesoa. Ambaran’i Lioka fa tapitra ny fakam-panahy nefa tsy lavo Jesoa. Olombelona Jesoa ka niharan’ny fakam-panahy koa. Nandresy izany anefa Izy. Ity fandresena ity dia azo ambara fa vokatry ny fahafenoan’ny Fanahy Masina tao Aminy. Io Fanahy Masina io no nanampy Azy hitahiry ny tenin’Andriamanitra ka nampahatsiaro Azy izany tamin’ny fotoan’ny fakam-panahy. Rehefa niharan’ny fakam-panahy Izy dia ny Fanahy Masina no nanampy Azy hampiasa ny tenin’Andriamanitra ho enti-miaro tena.

Meteza hiara-miasa mandrakariva amin’ny Fanahy Masina, Izy mantsy no hampahatsiaro an’i Jesoa sy ny teniny. Rehefa tsaroana Jesoa sy ny teniny dia ho mora ny mandresy an’i satana. Tsy zakan’i satana mihitsy mantsy ny herin’ny tenin’Andriamanitra ka tonga miala izy rehefa tsy maharesy. Mbola marina mandraka ankehitriny izany asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izany, mbola tena vonona hiara-miasa amintsika ny Fanahy Masina hanampy ho enti-mandresy ny fakam-panahy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.