MOFON’AINA ALAROBIA 29 JANOARY 2020

14 Mihainoa izany, ry Joba; Mijanòna, ka mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra. 15 Fantatrao va ny fanamboaran’Andriamanitra ireny Sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony? 16 Fantatrao va ny fihevahevan’ny rahona matevina, Dia ny fahagagana ataon’Ilay tanteraka amin’ny fahalalana? 17 Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, Raha migaingaina ny andro azon’ny rivotra avy any atsimo, 18 Moa hianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, Izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina? 19 Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina, 20 Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va? 21 Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin’ny rahona Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany. 22 Avy any avaratra no ihavian’ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin’Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra. 23 Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin’ny hery sy ny fitsarana mbamin’ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory. 24 Koa izany no atahoran’ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.
JOBA 37 : 14-24

ANDRIAMANITRA TSITOHA NY TOMPO

Joba dia anisan’ireo lehilahy nanam-pahendrena fahiny tany amin’ny tany nisy azy. Lehilahy marina koa no niantsoan’ny Tompo azy rehefa niresaka tamin’i satana momba azy Izy. Noho io fahamarinany io araka ny tantarany no nahatonga an’i satana nampahory azy. Ny tanjon’i satana moa tamin’izany dia hanala azy tamin’ny Tompo sy ny fahamarinany. Avy amin’ny tantaran’i Joba koa anefa, avy amin’ny resaka nifanaovan’i Joba tamin’ireo namany telo lahy no mampiharihary ny maha-Tsitoha an’Andriamanitra. Ireto no hafatry ny tenin’Andriamanitra

  1. Mahery Andriamanitra (and 23)

DIEM « Izy no Ilay Tsitoha tsy haintsika akaikezina, sady lehibe amin’ny hery ananany, fatra-pitandro ny rariny sy ny fahamarinana Izy ka tsy mba mampahory ny olona »

Avy amin’izao andininy izao no hahafantarana fa mahery Andriamanitra. ilay maha-lehibe an’Andriamanitra sy ny maha-mahery Azy dia mahatonga Azy hijery sy hitsinjo ny madinika. Izany hoe, ao anatin’ny fahoriana mahazo an’i Joba dia mijery sy mitsinjo azy Andriamanitra.
Be dia be no azon’ny fakam-panahy hihevitra fa tsy mahita azy Andriamanitra rehefa ory sy malahelo izy. Be dia be ny mihevitra fa tsy mba hitan’Andriamanitra ny madinika, indrindra raha ao anatin’ny fahoriana izy. Diso be izany fiheverana izany. Tena mijery sy mitsinjo ny madinika tokoa ny Tompo. Izay no maha-Andriamanitra mahery Azy.

  1. Mijery ny mpanetry tena Andriamanitra (and 24)

DIEM « koa izany no tokony hanajana an’Andriamanitra, fa tsy jereny kosa izay mihambo ho hendry »

Anisan’izay nananaran’ireo naman’i Joba an’i Joba ny tsy fahaizan’i Joba nanetry tena teo anatrehan’ny fahoriana nahazo azy. Amin’ireo namany mantsy, matoa Joba ory toa izao dia nisy fahotana nataony tao. Ho an’i Joba kosa dia tsy vokatry ny fahotany izao, izy aza ambara fa lehilahy marina. Te hiteny an’i Joba anefa ny namany eto hoe, raha mihambo ho hendry izy, raha mihambo ho manana ny marina izy dia tsy hijery azy Andriamanitra. Mampianatra an’i Joba ny namany fa ny fanetre tena eo anatrehan’Andriamanitra no mahatonga an’Andriamanitra hijery ny olony. Izay miavonavona, mihevi-tena ho marina dia tsy mba hojeren’Andriamanitra.
Manetre tena mandrakariva eo amin’ny Tompo, fa ny Tompo tokoa « na dia avo aza dia mijery ny ambany toetra » (Sal 138 : 6). Ny Soratra Masina dia mampianatra ny mino hanetry tena mandrakariva, indrindra eo anatrehan’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.