MOFON’AINA TALATA 28 JANOARY 2020

30 Koa ataovy amin’ny taranak’Isiraely hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon’ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va, 31 ary mandoto tena amin’ny sampinareo rehetra mandraka androany va ianareo amin’ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak’Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho. 32 Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin’ny tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho an’ny vato aman-kazo. 33 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana aidina no hanjakako aminareo. 34 Ary amin’ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra ary amin’ny fahatezerana aidina no hitondrako anareo mivoaka avy any amin’ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin’ny tany izay nampielezana anareo. 35 Dia ho entiko ho any an-efitry ny firenena ianareo, ary any no hifandaharako mifanatrika aminareo. 36 Tahaka ny nifandaharako tamin’ny razanareo tany an-efitry ny tany Egypta, dia toy izany koa no hifandaharako aminareo, hoy Jehovah Tompo. 37 Ary hampandaloviko eo ambanin’ny tehina ianareo ka hampidiriko hofehezin’ny fanekena. 38 Ary havahako hiala aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin’ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin’ny tanin’ny Isiraely izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
EZEKIELA 20 : 30-38

ANDRIAMANITRA MANAISOTRA AMIN’NY FANOMPOAN-TSAMPY

  1. Mpanota ny zanak’isiraely ka tsy henoin’Andriamanitra (and 30,31)

« Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak’Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho »

Ambaran’i Ezekiela fa mitovy amin’ny razany izay mpanota ihany ireto taranak’isiraely itenenan’Andriamanitra ireto. Ireto avy no fahotan’izy ireo izay nolovainy tamin’ny razany

– Manompo sampy ka mandoto tena amin’izany

– Manao fanatitra ny zanaka ho fanomezana ho an’ny sampy

Tsy vitan’ny hoe mandoto tena amin’ny sampy izy ireo fa ataony sorona ho an’ny sampy tompoiny ny zanany. Ireo zaza tsy manan-tsiny, tsy misy mpiaro dia lasa sorona tsy fidiny noho ny fanompoan-tsampy tanterahin’izy ireo.

Be dia be koa ankehitriny, noho ny fanompoana sampy samihafa eto amin’izao tontolo izao, noho ny fitadiavana harena, vola, fahefana, voninahitra no manao sorona zanaka, sorona olona tsy manan-tsiny mba ho enti-manome fahafaham-po ireo andriamanitra sampy tompoin’izy ireo. Mitovy heloka sy mitovy ota tamin’ireo zanak’isiraely sy ny razany izay mbola manao izany.

  1. Tezitra amin’ny zanak’isiraely mpanompo sampy Andriamanitra (and 32,33)

« Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana aidina no hanjakako aminareo »

Ambaran’ny Tompo eto amin’izao andininy izao fa manjaka eo amin’ny vahoaka isiraely Izy. Na dia manompo sampy aza ny zanak’isiraely dia mbola manana fahefana manjaka eo aminy Andriamanitra. Ary satria manompo sampy izy ireo, dia hanjaka eo aminy amin’ny fahatezerana ny Tompo. Hampiasa ny fahefany ny Tompo ka haneho amin’izy ireo ny fahatezerany noho ny fanompoany sampy.

Na iza na iza mbola manompo sampy, mahafoy an’Andriamanitra ka manakalo Azy amin’ny andriamani-tsy-izy dia tezitra aminy Andriamanitra. ny Testamenta Taloha dia maneho amintsika fa fandringanana mandrakariva no mahazo izay iharan’ny fahatezeran’Andriamanitra. Mialà amin’ny fanompoana sampy ry havana mba tsy hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra. Soa fa efa nampiharin’Andriamanitra tamin’i Jesoa ny fahatezerany rehetra, koa izay ao amin’i Jesoa dia efa afaka sy voaaro amin’izany fahatezeran’Andriamanitra izany.

  1. Esorin’Andriamanitra amin’ny fanompoan-tsampy ny zanak’isiraely (and 35-38)

Dingana telo no hanesoran’Andriamanitra ny zanak’isiraely amin’ny fanompoan-tsampy eto

– Avoakany avy any amin’ny firenena Jentilisa : esorin’Andriamanitra ao amin’ny firenena manompo sampy ny vahoakany mba tsy ho voafatotry ny fanompoana tsy izy tanterahiny ao. Tsy nahavita nitaona ny jentilisa hiala amin’ny sampy koa ny zanak’isiraely ka esorin’Andriamanitra any

– Kapohiny ihany anefa : ny and 37 dia misy an’izao teny izao : « Ary hampandaloviko eo ambanin’ny tehina ianareo ». enti-milaza kapoka avy amin’Andriamanitra izao. Noho ny fahotana dia tsy maintsy misy mandrakariva ny sazy mifanandrify amin’izany.

– Avahina amin’ny mpiodina : rehefa afaka amin’ny Jentilisa dia mbola havahina ihany koa izay tena vahoakan’Andriamanitra marina sy izay mbola miodina. Tsy ny vahoaka rehetra tokoa mantsy no ho afaka tanteraka amin’ny fanompoan-tsampy.

Manao ezaka maro Andriamanitra manaisotra ny vahoakany amin’ny fanompoan-tsy-izy. Tsy tantiny, tsy zakany mantsy ny mahita ny vahoakany manompo andriamanitra hafa ankoatra Azy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.