Mofon’aina – Alarobia 29 martsa 2017

41 Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo izay eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin’ ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory? 42 Ary ahoana no ilazanao amin’ ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin’ ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ ny masonao, ary amin’ izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao.43 Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara.44 Fa samy fantatra amin’ ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy amin’ ny tsilo, na voaloboka amin’ ny voaroy.45 Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ ny rakitra tsaran’ ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin’ ny haben’ ny ao am-pony no itenenan’ ny vavany.46 Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?47 Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatò azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy:48 Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin’ ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana izy.49 Fa izay mandre, fa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin’ ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin’ izay izy; ary loza ny naharavan’ izany trano izany.
LIOKA 6 :41-49

DINIHO NY LÀLANAO

1-Mahaiza mandini-tena

Aza maika  hitsara  ny namanao  ianao. Fantaro  aloha   ny tenanao   sy ny ataonao. Tena mifanaraka  amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ve sa ny   sitrapon’ny tenanao  no mibaiko anao. Tarafo eo  amin’ny atao  sy ny fiainan’ny olona  ny tena  maha-kristiana  azy  araka ny voalaza  hoe : « samy fantatra amin’ny voany ny hazo rehetra  ». Noho  izany, mahaiza ianao  mandini-tena . Mananatra  antsika i Jesoa Kristy  hamantatra  ny tenantsika aloha. Mamoa  voa mendrika  ny maha- kristiana  anao tokoa va ianao ? Omeo  toerana eo amin’ny fiainanao ny Tenin’ Andriamanitra ?

2-Misehoa ho mpanompo mahatoky

Ny mpanompo  mahatoky  dia mahay manaja sy mankato ny tompony izay  manome  baiko   sy toromarika  azy. Ary toy izany  koa  ny mpianatra   manaraka  ny toromarika omen’ny mpampianatra. Matoky  fa ny mpampianatra  dia mitarika  ho amin’ny làlam-pahendrena mahasoa  hatrany. Takin’i Jesoa Kristy   araka izany hiseho   tokoa    ho tena mpanompo  mahatoky  na mpianatra  mahatoky  ireo  manaiky hanara-dia  Azy. Tena hanaja  sy hankato, hanaraka  ny teniny   satria ny teniny   dia teny marina mitondra  fiainana  mandrakariva  ho  an’izay  mandray izany. Na dia misy aza ny fitsapana tsy maintsy hilalaovana, ny olona miaina marina amin’ny tenin’i Jeosa Kristy  dia mahita  vahaolana  hatrany, mandray  fandresena.

Fanontaniana:

Azonao  lazaina ve  ny anajra  toeran’ny Tenin’ Andriamanitra  eo amin’ny fiainanao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !