Mofon’aina – Alatsinainy 27 martsa 2017

13 Ary tsy aminareo ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao,14 fa amin’ izay eto amintsika anio eto anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika sy amin’ izay tsy eto amintsika anio koa;15 fa fantatrareo izay nitoerantsika tany amin’ ny tany Egypta sy izay nandehanantsika namaky ny tanin’ ny jentilisa;16 ary efa hitanareo ny fahavetavetany sy ny sampiny hazo sy vato sy volafotsy ary volamena, izay teo aminy;17 fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na firenena eto aminareo, izay manana fo mivily anio, ka miala amin’ i Jehovah Andriamanitsika, handehanany hanompo ny andriamanitr’ ireny firenena ireny; fandrao hisy faka eo aminareo izay miteraka zava-mangidy sady mahafaty;18 ary raha ren’ izany olona izany ny tenin’ ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko, handringanana ny leony mbamin’ ny mangetaheta.19 Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin’ izany lehilahy izany ny fahatezeran’ i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin’ ity boky ity, ka hovonoin’ i Jehovah tsy ho eo ambanin’ ny lanitra ny anarany.20 Dia hosarahin’ i Jehovah amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra ho amin’ ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin’ ny fanekena izay voasoratra amin’ ity bokin’ ny lalàna ity.21 Ary hiteny ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy ny vahiny avy amin’ ny tany lavitra, raha mahita ny kapoka natao tamin’ ity tany ity sy ny faharariana izay nampahararian’ i Jehovah azy -22 fa ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo: tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona ao, tahaka ny nandravana an’ i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima, izay noravan’ i Jehovah tamin’ ny fahavinirany sy ny fahatezerany23 dia hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao toy izany tamin’ ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan’ izao fahatezerana lehibe izao?24 Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.25 Fa nandeha izy ka nanompo andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany, dia andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena azy;26 dia nirehitra tamin’ ity tany ity ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nataony tonga taminy avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra eto amin’ ity boky ity;27 ary fahavinirana sy fahatezerana ary fahatezerana mirehitra no nandroahan’ i Jehovah azy tsy ho eo amin’ ny taniny sy nampandehanany azy ho any amin’ ny tany hafa, tahaka ny amin’ izao anio izao.28 An’ i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.
DEOTERONOMIA 29.13-28

ANDRIAMANITRA MANAO  FANEKENA AMIN’NY OLONY

1-Tsy mankasitraka  ny fihatsarambelatsihy

Mampitandrina  ny Zanak’ Israely eto ny Tompo  mba  tsy hivadika  amin’ny fanekena  tamin’ny Zanak’ Israely ny Tompo. Izy irery ihany  no tokony hotompoiny  ka tsy hanompo  andriamaninkafa  izy ireo. Raha  miala  amin’ny faneken’ Andriamanitra  ny zanak’ Israely  ka  manompo sampy  dia ho latsaka anatin’ny aizina, ho any amin’ny fahapotehana sy ny loza. Anatra ho an’ny Zanak’ Israely izany nefa  anatra  ho antsika  koa mba tsy  hivadika  amin’izay efa nataontsika isika.

2-Manomana ny  fiainana ho avy

Rehafa  mivadika  amin’ Andriamanitra  ny olona  dia hihatra  aminy ny ozona, ny famaizana, ny fampahoriana. Ahariharin’ Andriamanitra eto ny endriky ny tany onenan’ny Zanak’ Israely rehefa mihatra  izany ozona izany. Potika sy ho rava  ny tanàna. Manambara  izany fa rehefa mivadika amin’ny fanekena nataon’ Andriamanitra  ny olona dia potika sy rava ny fiainany  ho avy . Tanteraka tokoa izany taty aoriana  satria  nentina  ho babo  tany Babylona ny zanak’ Israely, noravan’ny fahavalony  ny fireneny. Araka izany, mananatra  antsika ny Tompo mba hahay hanomana ny fiainana  ho avy isika. Fiainana ho avy hankatoavana ny sitrapon’ Andriamanitra ka handraisam-pitahiana  fa tsy ozona.

Fanontaniana:

Midika  inona  ho anao  ny fanekena  nataon’ Andriamanitra?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !