MOFON’AINA ALAROBIA 9 MARTSA 2022

19 Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy; 20 Fa tsy hisy fanantenana ho an’ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy.21 Anaka, matahora an’i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin’izay miovaova; 22 Fa ho tampoka no hitrangan’izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin’ny androny?23 Izao koa no tenin’ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana.24 Izay manao amin’ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin’ny olona sady ho halan’ny firenena; 25 Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara. 26 Izay mahavoa tsara amin’ny famaliana dia manoroka ny molotra.27 Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.28 Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin’ny molotrao va ianao?OHABOLANA 24:19-28

TONEO NY FO

1- Fa tsy maintsy hovaliana ny ratsy fanahy

« Fa tsy hisy fanantenana ho an’ny ratsy fanahy « (and 20a). Toe-po amin’ny maha-olombelona ny misendaotra amin’ny ratsy fanahy mihatra amin’ny tena. Iny anefa no tena mila hitandremana fatratra, satria ny fo misendaotra sy tsy voafehy dia hiteraka fahotana mety hahatonga famaizana mihatra amin’ny tena indray. Ny atoron’ny Soratra Masina amintsika eto dia ny fitoniana .Aza matahotra fa sy maintsy hovaliana ny ratsy fanahy, satria tsy hanana fanantenana izy fa efa mazava ny làlana izorany dia ny famaizana azy . Hoy ny Soratra Masina hoe : « Tezera fa aza manota ». Raha tsy te-hanota dia tsy manao hetsika na mandray fanapahan-kevitra ao anatin’ny fahatezerana, satria voasaina izany ka mety hanenenana.Aoka hanatena ny fitsara marina ataon’Andriamanitra.

2-Ary manehoa fitsarana marina (and 25)

« Fa izay mitsara marina kosa dia hahita soa sy hahazo fitahiana tsara ». Ny mpanome ny soa sy ny fitahiana dia ny Ray Mpamorona. Matetika anefa dia misy olona menamaso olona ka sahy manamarina ny diso, na ho an’ny tombotsoa ihany koa .Tsy mahay manome fitahiana anefa ireny olona ireny. Mijery antsika ihany koa ny Tompo. Koa sahia mijoro amin’ny marina fa valisoan’ny marina ny fitahiana fa valin’ny ratsy ataon’ny meloka kosa ny kapok’Andriamanitra sy ny fankahalan’olombelona.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra