MOFON’AINA TALATA 8 MARTSA 2022

1 Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin’ny fampahatsiarovana, 2 mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ny mpaminany masina rahateo sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin’ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo; 3 efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany 4 ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza. 5 Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin’ny tenin’Andriamanitra, 6 ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ny nanasaforany azy; 7 fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. 8 Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. 9 Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra, 10 Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo, ary amin’izany ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. 11 Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, 12 sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra! 13 Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.2 PETERA 3:1-13

NY INDRAFON’ANDRIAMANITRA

1- No araraotin’ny sasany hampandaingana Azy

« …izay mpaniratsira …ka manao hoe ; aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany? maharitra tsy miova ny zavatra rehetra… » (and 04). Heverin’ireo mpanratsira ho mandanga Andriamanitra raha tsy mbola tanteraka ankehitriny ny zavatra izay nampilazainy. Ataony ho resabe fotsiny, rediredin’adala. Tsy fantany anefa fa indrafon’Andriamanitra no mahatonga izany. Tsy mitovy rahateo ny fotoanan’Andriamanitra sy ny olona. Ny minitra Aminy dia toy ny arivo taona amintsika olombelona. Hoy ny Soratra Masina hoe : « Sambatra izay tsy nahita, nefa nino » (Jao 20 :29)

2- Dia mitaona antsika mba hibebaka (and 09)

« … fa mahari-po aminareo Izy ka tsy tiany hisy ho very fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra » .Marina Andriamanitra ka mamaly izay ataon’ny olona, saingy hita eo amin’ny ataony ihany ny maha-Andriamanitra be indrafo Azy. Mikendry ny olona mba hibebaka izy fa tsy faly ny hikapoka fotsiny .Tsy fanararaotra ny indrafony fa mitaky fibebahana sy asa tsara eo amin’ny fiainatsika. Aza mba manao toy ireny olona mpaniratsira ireny fa aoka mba samy hanatanteraka izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.