MOFON’AINA ALATSINAINY 02 MARTSA 2020

1 Efraima manodidina Ahy amin’ny lainga, ary ny taranak’Isiraely amin’ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an’Andriamanitra, dia ny Iray Masina sy Mahatoky. 2 Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin’ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta. 3 Manana ady amin’i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an’i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony. 4 Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin’Andriamanitra; 5 Eny, nitolona tamin’Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika; 6 Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy. 7 Koa miverena amin’Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an’Andriamanitrao mandrakariva.
HOSEA 12 : 1-7

NY VAHOAKA ANTSOIN’ANDRIAMANITRA HIVERINA AMINY

Tsy mba zavatra mora ny zavatra nangatahan’Andriamanitra tamin’i Hosea. Nasain’ny Tompo naka vady vehivavy tena janga izy hanehoana amin’ny vahoaka izay naminaniany ny toetran’ny vahoaka eo anatrehan’Andriamanitra. Nataon’i Hosea izany fangatahan’ny Tompo taminy izany ho enti-maneho amintsika izay mamaly fa tena manana fahefana amin’ny mpaminany Andriamanitra. Nataon’i Hosea koa izany mba ahafaha-manome porofo tsy azon’ny vahoakan’Andriamanitra lavina ny tamin’ny toetrany sy ny fombany. Toa ireto manaraka ireto ny toetran’ny vahoakan’Andriamanitra, izay mbola antsoin’Andriamanitra hiverina Aminy

  1. Vahoaka mpandainga sy mpamitaka (and 1, 2)

« Efraima manodidina Ahy amin’ny lainga, ary ny taranak’Isiraely amin’ny fitaka… Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana »

Rehefa mijery ny vahoaka tao amin’ny fanjakana Avaratra ny Tompo dia vahoaka sy mpitondra miaina tao anaty lainga sy fitaka no hitany tao. Ambaran’ny Tompo fa manodidina Azy amin’ny lainga sy fitaka ny vahoakany, ary ambarany mazava tsara fa mandritra ny andro no hanaovany izany. Anisan’izay nampalaza ny fanjakana tao Avaratra ny tsy fanajana ny rariny sy ny marina, lojika izany satria na ny vahoaka na ny mpitondra dia niaina tao anaty fitaka sy lainga.

Rehefa tena dinihina ny firenena Malagasy ankehitriny dia tsy mifanalavitra tamin’ny zava-nisy tao amin’ny fanjakana Avaratra ny zava-misy ankehitriny, hita sy miseho amin’ny sehatra rehetra eo amin’ny firenena ny fitaka sy ny lainga. Manomboka hatrany amin’ny faratampon’ny firenena ka hatramin’ny farany ambany indrindra dia ahitana fitaka sy lainga avokoa. Mamitaka sy mandainga ny mpitondra, dia manao toa izany koa ny vahoaka. Na dia ny fiangonana aza dia ahitana izany fitaka sy lainga izany. Mampalahelo ny zava-misy ankehitriny. Kanefa na dia izany aza ny zava-misy, miantso antsika Malagasy ny Tompo hiverina Aminy.

  1. Vahoaka mpanompo sampy (and 2)

« Manao fanekena amin’ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta »

Noho ny raharaha pôlitika nanahirana tao amin’ny fanjakana Avaratra, noho ny tahotra ny fahavalo dia nandeha nanao fifanarahana tany Egypta sy Asyria ny fanjakana Avaratra. Nambara tamin’izany fa pôlitikan’ny fisokafana tamin’ny firenena hafa izany, kanefa ny tanjona dia fangatahana fiarovana tamin’izy ireo manoloana ny fahavalo. Ny fifanaraham-piaraha-miasa toa izao moa dia haintsika tsara fa misy fepetra tsy maintsy arahin’izay mitady fiaraha-miasa. Teo anatrehan’izany dia voatery tsy maintsy nanompo sampy ny mpitondra ary izany no tian-kambara amin’ny hoe nitondra diloilo tany Egypta. Ny fanaovana izany anefa dia sady fahafoizana an’Andriamanitra no fialàna tamin’ny fianteherana Taminy. Moa tsy izany koa va no mahazo ny ankamaroan’ny olona, teren’ny hamafin’ny fiainana dia lasa mitady fiaraha-miasa izay mahatonga azy hanompo andriamani-tsy izy. Be dia be no mahafoy an’Andriamanitra ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Ny olona manao toa izany koa anefa eto amin’izao mofonaina izao no antsoin’Andriamanitra hiverina Aminy. Ao amin’Andriamanitra ihany no tena misy vonjy ho antsika amin’izay manahirana antsika.

Ho  an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.