MOFON’AINA ALATSINAINY 03 JANOARY 2022

23 Efa nahaketraka ny heriko tany an-dàlana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy.24 Hoy izaho: Andriamanitro ô, aza maka ahy an-tenatenan’ny androko; ny taonanao mihatra amin’ny taranaka fara mandimby.25 Tany aloha no nanorenanao ny tany; ary asan’ny tànanao ny lanitra. 26 Ireo dia ho levona, fa Ianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy; 27 Fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra. 28Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.
SALAMO 102 :23-28

MAHARITRA TSY MIOVA NY TOMPO

1-Andriamanitra no Tompon’ny hery

Amin’ny fotoana isehoan’ny fahoriana eo amin’ny fiainana ; ka hahatsapana fa tsy mizotra araka izay nokasaina izay rehetra natao dia toy ny miady irery sy tsy misy ianteherana ny olombelona. Ny fotoana toy izany indrindra anefa no tokony hahatsiarovana ny fitondran’Andriamanitra; tahaka izay nataon’ny mpanao salamo . Mahatsiaro ho kely hery sy fohy andro izy . Inoany anefa fa avy amin’Andriamanitra izany ka hoy izy : « efa nahaketraka ny heriko tany an-dàlana izy. Efa nahafohy ny androko Izy » (and 23). Nangataka sy nitalaho tamin’Andriamanitra izy ; satria azony antoka fa afaka hampahery azy ny Tompo , hanome izay angatahiny , raha sitrany izany . Izay mahatsiaro ho kely hery sy reraka isika dia aoka hatoky ny Tompo fa « mampahatanjaka ny reraka Izy , ary izay kely hery dia omeny hery be » (Isa 40 :29)

2-Andriamanitra maharitra mandrakizay

Na dia mandalo fahoriana sy ady sarotra aza isika dia tokony hivavaka sy hanakina ny fiainana amin’Andriamanitra, satria eo ambany fitantanany avokoa ny zavatra rehetra . Azony atao ny miditra an-tsehatra ka manova izany toe-javatra izany , amin’ny maha-tompon’ny btabtara Azy . Ambaran’ny mpanao Salamo fa Andriamanitra dia mandrakizay . Izy no nahary ny tany sy ny lanitra ( and 25).Mihelina sy mandalo ny zavatra rehetra ka tsy maintsy hiova sy ho levona , fa Izy kosa no tsy miova . Taomina isika mba tsy hifikitra amin’izay zavatra mandalo fa hanatena an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra . Tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra antsika . « Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay » (Heb 13 :8) .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.